Dia tsy ho foana ny fanantenana (Hira faneva faha-40 taona) (SAMPANA FANANTENANA (FPVM Taninanandrano))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Anao izahay nikolokolo sy nitaizaNandritry ny 40 taona teny an-tanim-pitoriana
Ianao nitari-dalana, nitsinjo hatraiza hatraiza
Na tao anaty alahelo na orakoram-pifaliana.
Ny taona maro nodiavina, taon-dasa tsy tsaroana
Nandalo andro volana teo am-pelantananao
Ny asa maro izay natrehina mampitombo ny finoana
Torovana sy reraka, ka dia voasolo aina vao.
Faniriana isan'andro, mipololotra avy ao am-po
Ny hoe tsy hoela intsony no hiavian'ny Tompo soa
Ady sarotra ny asa kanefa izay no hatsapàna
Fa raha mbola hisy ny farany :
Dia tsy ho foana ny fanantenanay.
Koa manantena izahay ho tratranay ny fetra
Satria Jesosy no mialoha sy mitarika hatrany
Manambara ombieny ombieny hoan'ny olona rehetra
Fa ny mpisotro sy mpifoka dia tsy ho tsara ny hiafarany.
Ny asanay hatreto aloha manentana ny velona
Mitory teny mahasoa amin'ny tokantrano maro
Fa ny fisotroana toaka sy ny zava-maha-domelina
Manimba saina sy fanahy, ka aoka re mba hatsaharo.
Faniriana isan'andro, mipololotra avy ao am-po
Ny hoe tsy hoela intsony no hiavian'ny Tompo soa
Ady sarotra ny asa kanefa izay no hatsapàna
Fa raha mbola hisy ny farany :
Dia tsy ho foana ny fanantenanay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SAMPANA FANANTENANA (FPVM Taninanandrano)Vangy : 1235
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : iony.raz
Daty : 10/08/2018 13:46