Salamo 150 (Salamo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô midèrà an'Andriamanitsika  
Eo amin'ny fitoerany Masina  
Fa mendrika ho deraina anie Jehovah  
Eo amin'ny abakabakin'ny heriny

Aleloia aaaa  
Hosana aaaa  
Aleloia aaa  
Midèrà an'Andriamanitra

Derao Izy amin'ny asany  
Araka ny haben'ny Voninahiny  
Derao Izy amin'ny gitara  
Arahiny valiha sy lokanga

Aleloia aaaa  
Hosana aaaa  
Aleloia aaa  
Midèrà an'Andriamanitra

Ô midèrà an'Andriamanitsika  
Eo amin'ny Mpanjaka Mpanafaka  


Eo amin'ny Mpanjaka Mpanafaka  
Derao amin'ny aponga tapaka  
Arahiny lamako sy tehaka

Aleloia aaa  
Hosana aaa  
Aleloia aaa  
Midèrà an'Andriamanitra

Derao Izy fa soa sy tsara a  
Derao amin'ny sodina sy gitara a  
Derao Izy amin'ny kipatsona  
Maneno tsara feo fantsona a

Aleloia aaa  
Hosana aaaa  
Aleloia aaa  
Midèrà an'Andriamanitra

Aoka izay rehetra manam-pofonaina  
Samy hidera hidera an'i Jehovah aa (soaaa)  
Lehibe tokoa tsy manam-paharoa  
Ny heriny sy ny asan'i Jehovah aa (tsaraeee) *2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Salamo
Vangy : 111
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fenomenaly
Daty : 08/07/2024 12:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6447