Lalim-paka (Sahafa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Endrey zany hakanton’ny vehivavy gasy
Niangarana mihitsy miavaka amin’ny hatsarana
Bika aman’endriny, ampian’ny fomba fitafy
Landy manify, tsikitsiky dia ara-dalàna
Sora-bolo mirafitra, fatratra ny tàna ivoho
Randranina kely na zarainy misasaka ho roa
Tarehy mandimandina no ravahan’ny masonjoany
Lafatra angamba, izay no azo ilazana an’zany

Tia miaina tsotsotra mankamamy ny nentin-drazana
Izay rivo-mitsoka dodo-pamindra omeny làlana
Ny azy mantsy dia zay, lalim-paka ny soatoavina
Ifikirany foana io, hamakiany ny fiainan-koaviny

Miedinedim-pamindra, velon-drirana vao itopazana
Malabary ny ambony, tsara pasoka hatrany amin’ny tanana
Sori-bilana raitra, milamina tsy misy kianina
Tsotra ihany diloilomboanio mbola laniny
Lehilahy gasy tokoa mamelombelona rehefa mandalo
Maotina, ny fahamatorany mampiaiky ny maro
Dia misalotra lamba, porofo mitohaka amin’ny tava
Ireny ny anay tsy mba mena mitaha amin’ny hafa

Tia miaina tsotsotra, izay ihany ny an’ireo
Ohatra ny hoe valiha haingoana gitara miampy feo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sahafa
Vangy : 1798
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 05/08/2014 20:09
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114