Mpinamana mandrakizay (Rojovola)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiarahana tsy misy toy izany
sangisangy tambitamby nisy tsiky sy tomany
iray vatsy, iray aina
toa mpiraitampo nampitovy saina
malaina hisaraka,mandiva ny hariva
toa vary sy rano saingy tsy iray trano
ny adiady kely,niserana ihany
fa voamaika namafy lay finamanana izany

Ref :

Nandeha ny fotoana,
nandroso koa ny taona
sompatra ilay fitadiavana
nampizara roa ny lalana
nandeha ny fotoana
nandroso koa ny taona
sompatra ilay fitadiavana
anton’ilay fisarahana
voatery aho handeha
ianao tafajanona any
ny alahelo mandalo indraindray mampitomany
fa ny ao am-potsika efa nifanaiky
ho mpinamana hatrany na lavitra na akaiky

Ref:..................................

Any andro any volana any taona
hisy foana ny fotoana
Izaho sy ianao mbola hihaona
Izaho mino ianao tsy hanadino
ireo eritreritra niarahana
ireo vazivazy nifankazarana
haverintsika rahatrizay
mpinamana mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rojovola
Vangy : 2726
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Fiffi
Daty : 01/10/2007 07:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0742