Mbola ao Jesoa (Rojo (Ny Avo) feat Fanah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny saiko, mieritreritra, ny fiainako
Mitebiteby aho, miahiahy foana sy matahotra
Tsy mba misy mpiaro anao, aiza no alehako
Inona ary no ataoko, fa tena very hevitra aho.

Mbola ao Jesoa, hanafaka anao
Mbola ao Jesoa, hitantana anao
Fa mbola ao Jesoa hanafosafo anao
Fa izy tena tia anao, tsy mba manary anao
fa dia mamonjy anao amin-java-tsarotra.

Ref:
Marina izany, Jesoa tia ahy sy anao
Na inona hitranga amin'ny fiainanao
Na sarotra ny lalànao, ataovy an-dohanao
Jesoa dia maty hamonjy ahy sy anao.

........

Reraka ny aiko raha nandinika ny hoaviko
Misalasala aho mitaintaina foana isan'andro izao
Tsy mba manantena anie aho, aiza no alehako?
Kely loatra ny finoko, ka very hevitra aho.

Mbola ao Jesoa, hanafaka anao
Mbola ao Jesoa, hitantana anao
Fa mbola ao Jesoa hanafosafo anao
Raha mino anie ianao, ka matoky ny fonao
Aza matahotra fa hovonjeny ianao.
Hey! eeeh!!!

Ref:
Marina izany, Jesoa tia ahy sy anao
Na inona hitranga amin'ny fiainanao
Na sarotra ny lalàna, ataovy an-dohanao
Jesoa dia maty hamonjy ahy sy anao. (X2)

Na sarotra ny lalànao, ataovy an-dohanao
Jesoa dia maty hamonjy ahy sy anao.

Fa mbola ao Jesoa...
Fa mbola ao Jesoa...
Hamonjy anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rojo (Ny Avo) feat Fanah
Vangy : 4526
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/05/2019 20:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
Hirany hafa
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0807