Tsy natao hiara-dia (Rock' Arts)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandeha ny volana sy ny andro
Izaho sy ianao dia teto ihany
Tsy nahazo aina raha tsy eo indray
Nifankatia sy nifanaja
Nifampizara ny hazavana
Tampoka teo ianao nivadika

Fantatro fa tsy nankasitraka ahy ny Ray amandreninao
Izy ireo angamba efa manana ao an-tsainy
Ilay olona sahaza anao ohhhh ouhh
Fa indray andro ianao ka ho tonga saina
Dia tsarovy f’ efa tara loatra
Zaho mandany fotoana noho ianao
Ankehitriny aho efa hiaina fiainam-baovao

Saino tsara ireo taloha
Nifanome toky isika roa
Hoe n’ inona hitranga tsy mba hisaraka
Vetivety foana ianao dia niova
Lasa nanalavitra ny fo
Nitady hasambarana tany ho any

Tsy hiverin-dalana aho fa aza manahy
Fa ireo lalana sy ireo tanjona nokatsahiko
Efa lasa ianao tsy izany no hamoizako ny aiko
Fa hitady aho ilay tsara noho ianao
Tena tiako ianao tamin’ izay
Babonao ny foko sy fanahy
Tampoka teo ianao nivadika
Nandeha ny volana sy ny andro
Izaho sy ianao tsy natao hiaradia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rock' Arts
Vangy : 888
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 09/01/2019 21:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0775