Veloma.. (Rius)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
teny avy ato am-poko no nalefako ato an-tsaiko
hoe tsy manery anao zah ary kosa tsy hibaiko
Izao no zava misy tsy manahy fa aleo ekena
Mampionona ny foko angamba no mba fahendrena
Fa misaotra anao izaho mba nahaizako nitia
isaorako ny vita na dia tsy mba ho doria
Efa ampy isainaiko ny vitantsika roa
Avelako ireo lasa fa tsy ataoko ampiasa loha
Nefa mba tsinjovy ihany koa ny any aoriana
Mba ho fifaliana fa tsy hitondra fijaliana
Mora no miteny fa anao foana ny fony
Fa androany ianao no tiany dia rahampitso ho soloiny
Tandremo sao voafitaka amin'ny teniny rehetra
Ny anazy anie kanefa misy fetra
Ilay love-ko nafana nialanao a-nkerisetra
Nefa toujours courage na dia efa mampisento

Veloma, fa izaho tsy mitana
Nefa tsinjovy ihany koa ny any afara
Veloma ianao raha toa handeha
Fa ny anjarako anie ka mbola ho avy

Efa nanantena hoe tsisy hampanahy ny làlana
Nefa ianao milaza amin'zao fa hoe mpinamana
Tsy haiko hoe nahoana fa efa manan-tompo angamba
Esoriko an-tsaina ireo rehetra izay nambarany
Tsy afaka ny hitana aho fa anao ny safidy
Mbola manantena mamy aho fa tsy voatery hangidy
Androany aho mety ho lavo fa rahampitso mbola hitraka
Ka dia ho voafafa ireo ratra izay nandratra
Mbola ho avy ny andro hanome ny fifaliana
Ny làlana izorako ataoko am-pitsikiana.
Ekena fa efa maro ireo rehetra nodiavina
Fa tsy ataoko hahakivy na dia efa mahatsiravina..
Miezaka ny hitraka aho fa ankamatatra ny ho avy
Mbola miandry ahy ny anjarako any ho any
Manaiky aho fa resy fa rahampitso mahita azy
Efa nalefako any ny veloma mampamangy

Veloma, fa izaho tsy mitana
Nefa tsinjovy ihany koa ny any afara
Veloma ianao raha toa handeha
Fa ny anjarako anie ka mbola ho avy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rius
Vangy : 835
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : danielrius75
Daty : 13/07/2019 11:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1273