ALITARA (Ritsoka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ritsodritsokin'ny fo mitempo fitia
No asandratro androany e
Bitsibitsikin'ny saina nivadika ho
haravoana tsy lany e
Hantahantan'ny zanaka faly aok'izany
migoka ny mamy e
Hetahetam-panahy maniry hatrany
hotantananao

Réf: Ho Anao no anolorako ny foko androany
Ho Anao irery ihany na ho mangidy io na ho mamy e
Foiko ho Anao ny fiainako eto an-tany e
Fa Ianao no mpamonjy ahy ary mbola hanangana ahy e
Any am-parany any

Niady mafy ho ahy Ianao mba ts'isy harombaka ahy
Eo an-tananao e
Tsy navelanao ho irery aho fa notsimbininao
Sy narovanao e
Na ny ainao aza moa dia efa natolotrao anavotana ahy e
Tsy hovoavaliko Tompo f'isaorako indrinadra
Ny Anaranao

Réf: . . .

Ho ie eeee eeeee
Mankalaza anao ny foko @ androko rehetra
Ho deraina ny anaranao @ taona tsy misy fetra
Ho ie eeee eeeee

Réf: . . . (x 2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ritsoka
Vangy : 204
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 15/12/2023 08:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726