Rotoroto (Reko)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay rehetra miana, miaina eto an-tany
Samy mahalala any anatiny any
Fa mandalo ihany

Izay rehetra hita, azo henoina sy tsapaina
Samy misy fiandohana, misy fiafarana
Fa sambatra izay mahay miaina tsara
Ny fandalovany

Oh ry foko, moramora ihany
Amin'ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson'ny omaly
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?

Ny fiainanao omaly, rano raraka
Fiainanao androany manenjin-drivotra
Ny fiainanao rampitso tsy misy antoka
Raha tsy hay ny antony hisiana

Oh ry foko, moramora ihany
Amin'ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson'ny omaly
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?

Izao ve ilay tianao
Raha jerenao ny fiananao
Sambatra ve ianao?
Sao dia miazakazaka hivelan'ny kianja ianao
Any amin'izay tsy mivonto no manaintaina aminao

Oh ry foko oh ry foko
Ilay loharano tsara mila fantatra

Oh ry foko, moramora ihany
Amin'ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rampitso
dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson'ny omaly
-- (x2) --
Oh ry foko, oh ry foko
Rahoviana izany ianao vao hiaina?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Reko
Vangy : 767
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kolokoloina
Daty : 14/03/2024 20:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221