MOTIVASAINA (REDAN)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Yok le J ... J le Yok ..Skereyao
Motivasaina

Zandry ah !!!! .....zandry ah !!!!!

eyyy

Tadidio isika zanaka mafy ady tsy hiantehatra amin'iza tsy nandova harena be zandry ah !
Mahaiza mamindra ialahy fa sao hivarina an-kady mba tsy ho tanora ratsy fihary ..antitra vao kéré
Mila msacre sy mihosona fa aza variana mihesona
Izay tsy nety hakana lesona jamais milavo lefona
Ny life combaka fa tsy misy nateraka ny ho resy
Tsy misy mafy tsy laitran'ny boto izay no ataovy an-tsaina lesy zandry ah
Fadio ny mihantehatra havana sy akama
Fa raha androany io fangorahana rahampitso mety ho fandatsàna
Fididifio ny hitantarana ny nofinofy sy ny fikasana fa vitsy no faly amin'ny ahatafita an'ialahy ry zama
Ny lalana diavin'ialahy dezaka fa aza mifezaka
Fikirizana sy finoana arahan'ezaka no fanalahidy
Sotroy foana na mangidy fa ao no ahitana ny mamy kozy zany
Kodiaran-tsarety ny eto an-tany zandry ah
Mizotra mandroso ialahy matoa maro no mpanenjika
fa ny lakan'ialahy tsy ho rendrika raha hain'ialahy no mizozy azy
Courage fa kely sisa dia efa hoavy ilay fandresena
Zandry ah
Ny tanjona jerena nefa tsy izany no hanekena ny tsindry hazo lena
Sahia ialahy mijoro porofoy f'ialahy mpandresy
Tsy maintsy ho tafa ela ry zandry fa matokia an'i JAH BLESSSS ..
Eto tsy misy miracle fa samy mijinja an'izay nafafiny
Fiezahana sy fiharetana misy valiny fa akao fafiny
Mahasoa vao no mahafinaritra tsy kivy ialahy fa miaritra
Ny lalan'ny fandresena tsy an-jaza fa sarotra dia ireny esoeso sy fanambaniana ireny raiso ho toy ny teny mamy mampitraka mankahery
Alaviro ny valifaty valio amin'ny soa ny ratsy
Aleo ny tantara no hitsara fa karma is bitch negga ahh


Ref : EYYYY
         you are the champion vitanao io mafy ianao yeah {x4}

yeahhhhhh
Dia rehefa mifoha maraina raha mbola velon'aina
Mafy aho dia vitako io izay no atao tsianjery an-tsaina
Aza lany andro mitaraina
Sarotra ny lalana tsy natao hoan'izay malaina
Io fahombiazana io tsy zaraina mamaim-poana fa mitaky asa sy ezaka mba tena hody ventiny ny rano natsakaina
Fa tsy hainao izay mety ho avoakan'ny ampitso ka araraoty
Aza mangatak'andro nigga ah sao tara loatra
Positiveo jereo amin'ny lafin-tsarany izay miseho
Izay tokony atao izao dia atao izao tsy ankiandry hoe refa avy eo
Sarobidy ny fotoana aleo tsy laniana amin'ny tsy antony
Mandeha antanan-tohatra ny tanjona hanakatra ny tampony
Matokisa tena fa vitan'ialahy  io zandry fa ilay hoavin'ialahy mamiratra ao aloha ao efa miandry
Fa io alina io mbola hazava io rahona io mbola hisava
Miasà am-pahanginana ry zandry dia aleo ny fandresen'ialahy no itabataba


TAPITRA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : REDAN
Vangy : 247
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MBAWAX
Daty : 05/09/2023 12:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737