Medley (Rebika, Toko telo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ento aho, hanaraka anao aho
Mangina irery aho raha ilaozanao ka raiso
Tantano mba ho any aho
Miangavy mafy aho
Mitalaho fa te handeha.
...............
Ao mantsy i Dada
Tototry ny vovon-tany
Ny tenany angamba efa rava
Dada ôh! onena onenanao aho.
Ouh ouh ouh ouh!.....

Ratsan-kazo misampana
No hazofijalian’i Dada
Vovon-tany mivantana
Tsy mba nofono...
Tsy mba nifonosina...
..............
Variana niolakolaka
Ny tena izy toa lalao
Lany andro nifamolaka
Ka ny fotoana no nandao.

Tsy hita izay marina
Isika koa no zaza be eh eh!
Tsy nety tafarina
Ireo tsy tia faly nihomehy.
..............
Ny alina mangina toa mampanembona ahy
Ny volana baliaka mampifoha ny tsiahy
Tsy andriko ny ampitso, hahita anao indray
Ka hiondanako eo an-tratranao, hiangotiako aminao.
..............
Any ianao ry ’lay tokana
Ianao re no herany
Andry iray iankinako
Toky hany itokiana
Lohataona manjombona
Fararano tomany aty
Fandriana mamanala anie
No hany sisa vantanina.

Sento iray tsy mba zaka hatelina
Manditsoka anaty ka toa safomorona
Manomban-ko ho avy indray izany orana
Kotsa lava izay ilay tsy mahasaraka anao.
...............
Tena natsiro ireo niarahana
Asa ianao raha nahatsiahy
Nadiditra aho eny tsy lavina
Tatoato aho vao mba fay.

Fa rehefa hariva mena vodi-lanitra iny
Dia efa malahelo any aho izay
Indrindra ny alina hamonjy ny fandrina
Mety efa itomany any aho izay
Miatomboka indray ny adim-panahy.
...............
Fa mbola tsy mora ny hamoha ilay fatomatinay
Hatramin’izao aho tsy mety mino hoe
Rava ny anay
Fa mba tsy mora ny hanolo azy
Satria hatramin’izao
Mbola reko mamelovelo ao ireo taloha
ooo!
Mbola injao fa mihelohelo fa tsy mety hifoha.
...............
Ho atako tsara karakara
F'efa anjara nomenao ho ahy mandrak'izay
Fa raha ny anay mafy orina
Tsy voarodana fitia tena matotra vita fatotra.
...............
Fitia madio tsy miangatra mba rahoviana
Tsisy resaka saranga na fihaviana
'Zaho leroa mba tia an'i mandala
Tia an'i madama dia tia an'i madama.

Fitia madio tsy miangatra mba rahoviana
Tsisy resaka saranga na fihaviana
'Zaho leroa mba tia an'i mandala
Tia an'i madama dia tia an'i madama.
................
Lavitra loatra akia ny any aminao
Tsy afaka hanidina aho mbola tsy hary elatra
Haha hitsambikina impiry vao tody any aminao
Hihazakazaka reraka ny aina.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rebika, Toko telo
Vangy : 1700
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 31/05/2019 07:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1511