Mpiandry tsara (Ravaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
*Pampararara an!!! Parararara an! Pampararara an!!! (x2)

Tiako hitoetra
Ho re ny rehetra
Fa ianao fiadanana ho ahy.

Ho kaloiko ihany ko
Ity hira ity Ray tsy tò
Fa mpiandry tsara ianao
Nanome ilay talenta ho ahy
Ka indro atosako ho fiderana anao.

Fa ny anilanao soa
Hanjary ho fatratra
Ny tsara ho tonga lafatra,
Ka izao,
Ny foko atolotro ho anao
Tompo ô!, ny fiainako anjakao.

Pampararara an!!! Parararara an! Pampararara an!!! (Ny fiainako anjakao)

Pampararara an!!!
(Tompo ô!)
Parararara an!!! Pampararara an!!!

Isaorako eto ihany koa
Ireo fitsapana nanjo
Ny fahasoavanao no naha toy izao ahy
Na sedra mafy io na fifaliana tsapa tokoa
Ny fitantananao manome aina sy hery ho ahy
Ka indro atosako ho fiderana anao.

Fa ny anilanao ratra, lasa sitrana
Haizim-pito, feno kintana
Ka izao,
Ny foko atolotro ho anao
Tompo ô!, ny fiainako anjakao.

Pampararara an!!!
(Fa ny anilanao soa
Hanjary ho fatratra
Ny tsara ho tonga lafatra,
Ka izao,)
Pampararara an!!!
(Ny foko atolotro ho anao
Tompo ô!, ny fiainako anjakao.)

Pampararara an!!! Parararara an! Pampararara an!!! (Ny fiainako anjakao)

Pampararara an!!!
(Tompo ô!)
Parararara an!!! Pampararara an!!!
(Ny fiainako anjakao!!...)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ravaka
Vangy : 1530
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 25/01/2021 17:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1699