Majunga ve (Ranaivo Ranarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona no hiraina o
Iza no tantaraina
Tanana iray izay efa fantatra
no aoka andeha hatao ankamantatra
Avaratra-andrefana anie no misy azy izay
Iza raha fantatrao lazao
zovy ka mba lazao
Toerana manan-daza reroy eh
kely kanefa tena tsy fohy
Ny tokotany sarotra ialana
izay vahiny mora tamana

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga majunga ve fantatro fa katsaho

Inona no hiraina o
Iza no tantaraina
Tanana iray izay efa fantatra
no aoka andeha hatao ankamantatra
Avaratra-andrefana anie no misy azy izay
Iza raha fantatrao lazao
zovy ka mba lazao
Toerana manan-daza reroy eh
kely kanefa tena tsy fohy
Ny tokotany sarotra ialana
ireo vahiny mora tamana

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga, Majunga ve fantatro fa katsaho

Ny ranon'i Betsiboka
Misosa ka manotoaka
Ambadik'ialay kejepy
Miody manjepizepy
Mandrakotr'ilay tanana
ny herin'ny hafanana
Ny hatsika mamirifiry
Tsy mba fahita firy

Izany diavolana any re ry lahy eh
Mamohafoha saina sy fanahy
andefa vetsovetso miampita
Any Iarivo ilay tsy hita

Iza raha fantatrao ambarao
zovy ka mba lazao
Izy no Majunga majunga ve aoka fa fantatrao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ranaivo Ranarivelo
Vangy : 1775
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mbolabe
Daty : 14/04/2019 13:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072