Mpivaro-kena sy Mpivaro-damba (Ramilison Besigara)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianareo tovovavy indray 'zao no resahana ka aoka hipetraka
Fa raha samy hanambady ihany dia amin’ny mpiravo-damba miresaka
Fa raha toa ka mpivaro-kena no manao kôdy fara mikitika
Dia aza misy mamaly akory fa ilaozy mandehana mipitsika

Efa zatra mitolon’omby ireny sady mpanao ody tandroka
Ka raha misy adiady kely dia manaikitra sady mandrangotra
Isan’andro dia mihosin-drà sy mihoso-menaka hatrany amin’ny sangany
Fanompoana foana isan’andro vaky ny manasa ny akanjo sy lambany

Ka tsy lasa ry ianona a!
Aoka ihany hijanona a!
Mpivaro-damba no reviko
Fa raha mpivaro-kena vereziko,
Eo ianao re Razôrza
Dia atao ny devôrsa a!
Fa aleoko mananon-tena
Toy izay hanambady mpivaro-kena

Efa ela no nampitovy fa ny mpivaro-damba no mendrika
Fa raha izay mpivaro-kena, herintaona ny sambo dia rendrika
Rehefa afaka herintaona dia tsy maintsy mitranga ny ditrany
Any Isotry sy Andravoahangy, Besarety no misy ny sipany

Rehefa tonga eny ambony akalana ka misy ny hena miantona
Pi-maso tsy misy farany raha misy ny kala manatona
Fa raha misy famerim-bola dia lazainy fa adinodinony
Amin’izany ny tananao dia samboriny sady fihininy,
Raha mpivady no miaraka, dia angamba hisaraka
Izy angaha dia mivaky loha, fa hitsikitsikiany ilay ramatoa.
Ô ry kala Voahirana a!
Raha tsy te ho sahirana a!
Aza ireny no hidirana
Fa tadiavo izay tany handosirana a!

Ny mpivaro-damba ry madimozely Bakoly ô!
Ny mpivaro-damba ry madimozely Saholy ô!
Madio saina sy madio fo raha olombelona a!
Ka tsofiko rano isan’andro izy ireo mba ho ela velona,
Ny mpivaro-damba na olon-dehibe na tovolahy e
Dia olona tsotra no sady malemy fanahy e!
Mirana lava raha sendra mba hitako eny an-tsena
Fa tsy mba mizihitra ohatran’ilay mpivaro-kena

Andeha ary ange ho jerena
Irony vadina mpivaro-kena
Raha jerena ny vola ambogadiny
Dia ho sambatra angamba ny vadiny
Kanefa tsy miala eny an-tanany
Na dia alina aza ondanany
Io no bala hitifirana
No sady vavahady ampidirana
Kanefa tsy ianao no mitantana
Fa feheziny hatrany amin’ny fatana
Raha ireny no hanaovana afera
Dia aleoko manao masera

Rediredin’ny kely saina ny anareo ry Terezy sy Zanina a!
Fa be ny mpivaro-kena fa ireo ny tsy mahay mihinan-kanina a!
Raha ny vola no tanisaina dia mibotsina lava ny paosiny
Raha ny laokany no lazaina dia miova isan’andro ny saosiny

Amin’izao vaninandro izao dia ny mpivaro-kena no rôla a!
Fa raha izay mpivaro-damba dia zoera tsy mahafaty baolina a!
Ferimiera sy zarifama ka hatramin’ny hôtesy no miakatra a!
Dia mirevy mpivaro-kena, satria any mantsy ilay zavatra a!

Zao no hafatr’i dadanay
Sady tenin'i mamanay
Vady ve no tadiavina a!
Ka raha mpivaro-kena aza lavina a!
Raha toa ka mpivaro-damba
Ny fitiavany mody jamba
Izaho mantsy dia tokam-po
Ka leiroa ihany no ao an-doha

Volonondry sy terigala ry kala tsy ampy ivelomana
Na mihaingo mamirapiratra aza maty rehefa tsy omana
Fa ny bandy mpivaro-damba anie ry kala ka bandy sahirana
Paka sy ny krisimasy ireny vao mba mahita mangirana

Fa ny bandy mpivaro-kena isan’andro isan’andro dia tobaka
Na hôtely na olon-tsotra vao maraina dia indreo mifandrobaka
Amin’ny roa ambinifolo atoandro dia efa tapitra lafo ny entana
Dia indreny izahay mitsama hikaroka fahafinaretana,
Na hatrany amin’ny video, dia mankany amin’ny kazinô
Na hatrany amin’ny sinemà, manenjika jazy sy lambadà,
Na hatramin’ny fitafinay, dia ovainay atao milay
Izy amin’ny “Jean” sy ny bôty, le sipa amin’izany zipo klôty

Ny mpivaro-kena ry madimozely Denizy ô!
Ny mpivaro-kena ny madimozely Loizy ô!
Mahery fo sy mahery mitady rankizy a!
Fa sambatra ihany ianareo manana azy Ralizy a!
Mpivaro-kena sy mpivaro-damba tsy sahala
Ny iray voky hena ny iray voky ovy ry malala a!
Asanareo izay mifidy ka maka mitsora
Mpanankarena ho vady ny anay ka mivola

Ny mpivaro-damba matetika
Olona ratsy fitetika
Zatra mandrefy rahavahana
Dia refesiny koa ny fitiavana,
Na tsara na ratsy ny vadiny
Tsy omeny fitia ambongadiny
Zatra manao an-tsijarany
Ny fitia aza voazararazarany
Zatra manao didy vilana
Dia manao fitia mitongilana
Izay manambady an’ireny
Herintaona dia efa raneny
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ramilison Besigara
Visites : 3765
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tiahmarinaa
Date : 07/07/2021 19:14
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714