Olombelona adala (ft B.O.B) (Raj's Fanah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1(RAJS'FANAH)

Omenao tsiny ve raha toa ny teniko mandrata.
Tsy maninona fa izaho koa aza mba efa zatra.
Zatra esoina sy kianina rehefa milaza ny marina,
tsy mitovy fisainana aminy ka lazainy fa sarotra anarina
Fa aza ny abobo sy ny angano no entina andrebirebena ny saiko,
Mbay tany! Ento miala lavitra any fa tsy ilaiko,
tokana no lazaiko, ny feon'ny fieritreretako ihany no henoiko
izy irery ihany no ombaiko.
Fa arakaraka ny ilazany fa navitany dingana no mampiro azy lavidavitra kokoa any amin'ny fahajambana.
Satria ny fisainany efa norafetiny tamin'ny fitsarana ivelany,
Efa hoe fitaka ny hita maso, feno fandrika izao rehetra izao.
Dia ny finiavako misaina no tsy itovizako aminao,
Raolombelona adala ...
Notsinotsiniaviny ny aina dia nodikainy ny lalàna.

Ref: (RAJS'FANAH)
Efa mahalala fa minia tsy mahafantatra minia mandà
matim-bola sy voninahitra ka manao tsinontsinona ny fanahy.
Milaza fa mihavana, milaza fa mifankatia
Ay, tsy misaina afa-tsy izay hinanana, manoatra noho ny amboadia
Iva fisaina, mirefarefa amin-tany,
Mihevi-tena fa tsy ho tratry ny aloka indray andro any
(mbola ho tratry ny aloka)
Indray andro any
(mbola ho tratry ny aloka indray androany.

2 (B.O.B)
Olombelo, olo miana
olombelo, olo misaina.
Olombelo nefa adaladala, toa tsy te ahita akoatra ny hitany sy ny tsapany
Dia ny ara-materialy, hany ka manao vy very ny aina mba hanimbany ny hafa tahaka azy.
Fa ataony fa izany no ilainy fa tsy iasany saina,
Fa ny filàny amin'ny maha biby azy no tontosainy.
Fa mahagaga hoe, biby ambony ny biby rehetra hono
Anjely ambany indrindra koa hono.
Nefa tsy mahay mandrindra akory ny saina sy ny safidy nomena azy.
Fa tia vola, tia harena, tia tena loatra raolombelona
Dia tsy mahatsiaro tena, fa bitika ny fiainany manoloana ny misy rehetra.

(B.O.B)
Eto aho manao antso avo hoan'ny olombelo
Ahirato ny maso, ahirato ny saina
Fa mahakivy hoe tsy mahita afa tsy ny fara-vodilanitra ve
Raolomelo, ka tsy te halala
Minia mamefy ny saina tsy ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raj's Fanah
Vangy : 1421
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RajsFanah102
Daty : 09/10/2016 09:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746