Ny vola (Rabenaivo Charles)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atsipy ny tady ry lahy
an-tandroky ny omby izy ireny
Atsipy ny teny reroy
antsain'ireo mahalala
Tadiavo ny vola rahavako
Fa izy no tena ilaina
Fa na inon'inon-katao
Ny vola no fototry ny aina

Ny manam-bola raha maty
Dia maro mpandevina
Ny malahelo raha maty
Sao areti-mifindra
Raha velon'aina dia mahatsiaro
anao ny olombelona

Ny manambola dia sambatra e
mandroso hatrany ny asany
Ny tsy manam-bola tsy maintsy
tsy maintsy manompo ny sasany
Ny manam-bola e, raha mandeha
Alaina sy aterina izy.
Ny tsy manam-bola hankaiza
mandeha an-tongotra eny ny ankizy.

(feon-kira)

Tadiavo ny vola rahavako o
samia re manao anjolofo
Fa izy dia tena ilaina
raha mbola nofo ny nofo.
Ny manam-bola tazano
Mitazana anie dia mividy
Ny tsy manam-bola hankaiza
Ny vazana re no mihidy

Fa na mpivavaka ianao
na mpanompo sampy
Tsy maintsy mila an-dravola
mba ho mpanampy
Fa na inon'inon-katao
tsy vita raha tsisy ny vola.

Ny manam-bola indreny
lasa manohy ny fianarany
Ny tsy manam-bola hankaiza
vita hatreo ny tantarany
Ny manam-bola tazano
Fa rotsirotsin'ny fiara
Ny tsy manam-bola indrisy
Mandeha an-tongotra eny ka tara

Fa na mpivavaka ianao
na mpanompo sampy
Tsy maintsy mila an-dravola
mba ho mpanampy
Fa na inon'inon-katao
tsy vita raha tsisy ny vola.

Ny manam-bola indreny
lasa manohy ny fianarany
Ny tsy manam-bola hankaiza
vita hatreo ny tantarany
Ny manam-bola tazano e
Fa rotsirotsin'ny fiara
Ny tsy manam-bola indrisy
Mandeha an-tongotra eny ka tara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rabenaivo Charles
Vangy : 5024
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 26/03/2013 16:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744