Zotra fahadimy (RA Eddy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tao anatin’ilay zotra faha-dimy
Manjohy masoandro mody miankandrefan’iny
Misy tadidy tsy ho aiko adinoina a
Mamela tsiahy velona ao am-poko foana

Fiverenana:
Iray toerana isika indray alarobia izay
Samy ho eny Ambohimanarina
Nisy jery nifampita, nisy fo te hifandray nefa samy mody fanina
Hay vahiny ianao sendra mandalo ety
Nampiray antsika ity zotra ity
Sitrapo tokoa ilay teo akaikinao
Nefa teo an-tsena dia tsy maintsy nifandao (nifandao)

Nisy fihetsika indray miserana
Efa ao am-poko dia mibodo toerana a
Ilay fitsikiana tsy haiko nofafana a
Namela aloka tsy azoko nialana

Fiverenana:
Iray toerana isika indray alarobia izay
Samy ho eny Ambohimanarina
Nisy jery nifampita, nisy fo te hifandray nefa samy mody fanina
Hay vahiny ianao sendra mandalo ety
Nampiray antsika ity zotra ity
Sitrapo tokoa ilay teo akaikinao
Nefa teo an-tsena dia tsy maintsy nifandao (nifandao)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RA Eddy
Vangy : 1039
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Arsih
Daty : 26/08/2020 14:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116