aza mifamilafila (Ortiz family)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
- Jeren'ty anie ny pôzin'ireny bandy ireny
- Mampihomehy be, sady jereo ilay iray tamy manatona aty
- Hita ho'aho r'ty. To'dia ataovy ohatry ny hirany ihany ko.
Aleo tamy eo iny iray iny hanaovako azy
- Aiza e!
- Inona e?
- Hiandry kôtina sa to'dia hiaraka?

Raha te hahazaka an'ahy ialahy dia mila BG sady misy avenir anh
'Za tsy tia vao bandy tsisy vola, surtout malaza amina fatifatin'kira
Farafaharatsiny mba misy moto, manana Jord amin'le nivoaka farany
Raha vao latsaky ny 1m70 dia impossible ho bae-ko ny anarany

Manana vision ana mate indry izany anh
Tandremo fotsiny ary ho voa mafy e (inona akia no idirako?)
Manapoizina ny fo ange ry sipa ny mi-crush amina genre-na bandy mpampirafy e
Tsisy hoe BG dia tokam-po na hoe manana moto manaja vady
Tsy hoe vavan'ny tsy manana dia mialona fa
Miaraka amin'ireny mananton-tenda amin'ny tady

Samy manana ny tiany io oh
K'aza mifamilafila (fila) io samy milay (milay)
Raha tsy mety aminao o, mety ho mety amin'ny hafa hoe
Ikala o, ikala, just faniriana ny anay

Nena akia izao ny sipa tiako a, tsy izay tsara forme no ho entiko hody
Fa ao aoriana aho raha haka vady dia toetrany no jereko fa tsy v***
Manam-bola aho fa tsy tia materialiste, ianao tsy pute luxe ka voavidina deux cent seka
Love gratos omena an'ahy dia hitanao eo fa soniaviko aminao ny 1 milliard anaty chèque

Ka ny tsy azon'ialahy io dia izao, mandalo ny fahatanorana
Sa hiandry vatana hikentrona vao hividy montre hibikabikana anh?
Izaho mila manana iPhone, alaina amin'ny fiara rehefa avy mibôsy
Dia aza mikôty an'ahy mihitsy rehefa tsy mahatsapa hoe zanaka boss

Samy manana ny tiany io oh
Dia aza mifamilafila (fila) io samy milay (milay)
Raha tsy mety aminao o, mety ho mety amin'ny hafa e
Ikala o, ikala, just faniriana ny anay

Hikôty anao izaho rahampitso, dia aleo mampiomana anao fa tsy tiako
Ilay maheno hoe tampoka be fa aleo miandry kely ialahy izay vao valiako
Fa mbola tsy nahita sipa aho hoe nokôtiana dia to'de namaly
Dieny izao dia efa ampiasao ny saina ary fa hikôty anao aho rahampitso amy 8

Tsy mila mieritreritra an'izany aho ka
Fa tonga dia valiako izao dieny izao
Tsy genre-ko ny fahitako anao dia za koa tsy miaraka amy bandy tsisy hatao (kii)
Impossible ny hanekeko anao e, dieny izao ialahy d'efa mahaiza mionona

Rehefa tsy tianao aho dia tsy koah izany fa
izaho koa tsy hijoboka amin'ny pataloha tsy atonona

Samy manana ny tiany io oh
K'aza mifamilafila (fila) fa io samy milay (milay)
Raha tsy mety aminao o, mety ho mety amin'ny hafa e
Ikala o, ikala, just faniriana ny anay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ortiz family
Vangy : 50
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Domoina991
Daty : 07/09/2024 12:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769