Babonao (ortega)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa ianao mambabo *4


Fa ny ahy ny fo lasa tia tabataba
Lasa tia hitady natiora hafa
Ny tsikinao no tiako atao masoandro eh
Masoandro mpanazava
F' ilay tsikinao malefaka iny
Noharahan'ny hakanton'ny fomba fijery
Tarehinao mirana sarika lava
Toa tsy mampi-te andeha irery
Mino ah fa very izay mila anao
Tsy andainga ah fa te ho malalanao
Tsy ny maso fa ny fo no jambanao
Fitiavako mihitsy no nalainao
Tia aho ka miangavy
Mba jereo kely
Ny anaranao no efa vita tononkalo
Tsika roa efa samy leo mandeha irery
Dia tsy aleo ve ny fitia no atakalo

Fa tsara enao miavaka amin'ny maro
Manintona an'ireo mpandalo
Tsotsotra enao fa mandoro
Any aminao ny hatsarana manontolo
Fa fotoana vitsy no nandalo d' efa babonao ny foko oh
Tia fa tairo mba ekeo
Fa izay tinao rehetra ho afoiko

Fa lasa tia manaonao sary ny foko
Any anaty nofy ah mpanao hosodoko
Ny tsikinao no alaiko tahaka
Dia ny hatsaranao no fandoko
Fa tiako raha zah no mampihetika anao
Tsy ho reraka mihitsy ny anenjika anao
Tsy anaiky raha tsy efa ny onjam-pitiavako mihitsy no aharendrika anao

Faaa ny akantonao mahavarina
Ianao tsara fomba famindra
Tsy voafehy ny hoe manja
Fa mila lazaina amin'ny fomba hafa mihitsy
Ny hakantonao mahavarina
Enao tsara fomba famindra
Baby oh


Ref:Fa mahasambatra enao fanirihiko oh
iara-dalana aminao no mba tena tiako oh
Ka raha manaiky enao isaorako ny ao ambony
Raha ijanona ho nofy enao dia zah tsy hifoha intsony

Ka...
mba omeo anah ny tsikinao tiko andravaka ny nofiko oh
Sokafy ny tranom-pitiavanao
Fa zah tonga ivahiny
baby oh
Fitiavako anao paradisa
Fa eo tanterahako ny nofinao
Izao tsy hampanatena ny lanitra fa feo fitaka iny(iny kintana iny)
Fandravahana fotsiny ihany
Fa tsy misy tsara mihoatra ny tany
Sambatra be fa nisy anao
Ilay fanomezana avy any ambony any
Ka tairo mba anantony ah
Dia atolory ahy ny tananao
Tiako hoe enao no mpitsara
Fa zah te ho dahalom-pitiavanao

Eo mou mba ekeo eh
Raha misy fitiavana any omeo eh
Aza avela iodina itady any alavitra intsony ah ry kiala fa efa leo eh
Leo ny mandeha irery ah ka
Anao atambatra ny lalana
Leo ny manirery ah ka
Tairo mba fafao ireo alahelo


Ref:Fa mahasambatra enao fanirihiko oh
iara-dalana aminao no mba tena tiako oh
Ka raha manaiky enao isaorako ny ao ambony
Raha ijanona ho nofy enao dia zah tsy hifoha intsony
Rnd
--------
Rohy:
Hevitra
Lovvvvvvv ( 25/02/2024 15:13)
Hira momban'ny fitiavana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ortega
Vangy : 153
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Lovvvvvvv
Daty : 25/02/2024 15:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781