Andeso zaho (Onja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manaiky anao aho namako ôh
Antsitrapo teritery tsisy
Atolotro anao ny fitiavako
Manomboka androany ho mpivaly tsika
Na alahelo na hafaliana
Antsika roa e hiaraka hiampita
Anao tokiko izaho ny anao
Fitiavana tena feno paradisa
Fitiavana tena feno paradisa
Oh Tiako!!
Fiv:
Andeso zaho oh! Hanaraka anao
Andeso zaho oh! Homba anao
Nialako trano ray amandreniko
Hanaraka anao ninona mitranga
Ataoko aby zay azoko atao
Mba hanaporofoiko fitiavako anao
Tsy haditra aho tsy hisangisangy eh!
Fa hanaja anao lia valiko ey
Anao mpanjakan’ ny fitiavako
Anao no vali fivavahako
Fiv:
Andeso zaho oh! Hanaraka anao
Andeso zaho oh! Homba anao
Na alahelo na hafaliana
Antsika roa e! hiaraka hiampita e!
Anao tokiko zaho ny anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Onja
Vangy : 2737
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lucianahrandriam
Daty : 17/02/2019 11:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783