Medley (Ny Koraïta, Tanora Masina Itaosy, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Ampifitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha misy zavatra miseho
Izaho Jesoa matoky Anao
Ny adin-tsaina avelako eo
Fa ny fantatro dia izao.

*He! velona aho ka miaina soa
Miaraka Aminao Jesoa
Dia mitony sy milamina ny fo. (X2)

Raha misy mampanahy (Izaho matoky Anao)
Arovy aho re ho sahy (izaho matoky Anao)
oh oh oh oh!!!
(Izaho Jesoa matoky Anao.)

Aretina va re? (Izaho matoky Anao)
Sy fahasahiranam-be? (Izaho matoky Anao)
oh oh oh oh!!!
*(Izaho Jesoa matoky Anao!) (X2)

....

Toa manjombona lava ny fo
Adin-tsaina mameno ny loha
Fa mafy angamba raha niainanao
mietraketrak'izao tontolo izao.

Raha ny latsa sy eso androany
Fombany ihany io fa aza tomany,
Fa misy Ray ao 'lay tsy mba mandao
'lay nafoy ny ainy ho anao.

Fa zanany ianao, vidin-dràny ianao
Matokia Azy fa aza manahy
Fa ny fonao no ilainy
Hiaraka mandrakizay
Honina an-dapan'ny Ray.

....

Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro aho
Ka mialoka Aminao tsy manana ahiahy
Misaotra Anao mpanome ny soan'ny lanitra
Tsy asoloko ireo raha izao tontolo izao.

Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro aho
Manolo-tsaina hahaizako ny làlako
Matoky Anao na dia miafy sy miaritra
Izay làlana izay efa novantaninao.

Matoky Anao na dia sarotra fantarina
(Ny fihevitrao sy ny fitarihanao! ôh!)
Matoky Anao ilay Tsitoha mpanao ny marina
Be indrafo, Rain’ny fiadanana.

Matoa mbola toa izao aho dia ny fahasoavanao (Ny fahasoavanao!)
No miahy sy mitahiry ka mitaiza fanahy
Afoiko ho anao tsy mba hofihiniko
'Zay rehetra momba ahy
Dia Anao mpamonjiko.

....

Omeo azy tananao,
Hifaharany sy mba hitantana azy
Omeo azy izay mba foinao
Na vola na sakafo, na fanafody koa.

Omeo ny fitiavana, ny Fanampiana
Fa havan-tsika ireo.
Tolory aina vaovao, fiainam-baovao
Fa izy mila izany.

Hay, Reny maro,
Rahalahy sy anabavin-tsika
Misy maty isan'andro
Fa zara raha mba misotro.

Zaza mena vava koa mosarena,
Mosarena tsy ampy nono.
Mila anao tokoa tokoa izy ireo
Mila ny fanampinao!!

Ampio re fa mitaraina, mitoreo
Ampio fa tsy hanenenanao!

....

*Mpandresy ianao raha toa maharitra
Mizotra amin'ny fiainan-danitra
Fa ny Tompo tia dia mampanantena fandresena
Izay manaradia azy ka mijoro tsy mivena. (X2)

Izay manaradia azy ka mijoro tsy mivena...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Koraïta, Tanora Masina Itaosy, Hosana Ambohijatovo Fitiavana, Ampifitia
Vangy : 1202
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 03/08/2021 12:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.34