Saro-piaro (Ny Jihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manindrona ny ati-foko tontolo
Ny firesahanao aman’olona
Satriko ianao mba ho ahy manontolo
Na dia ho be ny mpialona

Ny fahasarotam-piaroko aza efa tafahoatra
Sy ny fitiavan-tena
Raha ny tena izy tsy dia izany loatra
Fa izao raha jerena

Ahy ianao (ahy ianao)
Ka ho arovako foana
Ahy ianao, tsy foiko fa ahy
Tsy mahatsiaro ho tena tia aho
Raha tsy saro-piaro

Nataonao adala angamba aho indraindray
Tezitezi-poana tsy amin’antony
Raha toa ka hankahalaiko ilay olona iray
Tsy mahalala ny tokony ataony

Tsy fantatro izay foton-dresakareo
Tsy misy antony
Tsy fantatro izay antondianareo
F’izay no fantatro

Ahy ianao (ahy ianao)
Ka ho arovako foana
Ahy ianao, tsy foiko fa ahy
Tsy mahatsiaro ho tena tia aho
Raha tsy saro-piaro
--------
Rohy:
Hevitra
armfefs ( 02/09/2015 09:51)
Raha hoatran'io tononkira io daholo ny tononkira dia tena mahafinaritra satria milaza zavtra be dia be ara mpitiavana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Jihy
Vangy : 15244
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : andriatoavna
Daty : 23/06/2014 21:30
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.552