Haody Ry Mpifankatia (Ny Antsiva)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HAODY RY MPIFANKATIA

Ny maraina zary mangatsiaka
Rehefa samy tofoka sy leo
Tsy natao hiara-dia isika
Ka mety raha faranana hatreo.


Tsy ela akory, vao omaly
Tsy nanam-po ny hoe hifamaly
Fa samy nifampitarika teny,

Izany hono hoe hifandao,
Be ireo zavatra tiana hatao
Kanefa dia tsy misy tanteraka ireny.


Ny antsika tsy mba nokoloina
Tantara tsy mba nitsinjo ny ho avy
Ny ho avy izay tonga tsy nantsoina
Sy tsy mihaino
Ny tomanin'izay mba miangavy .


Dia mifanandrina eto isika
Samy tsy manaiky ho resy am-bava
Ny lambantsika efa mitriatra
Ny nofintsika kosa efa rava.


Tsy mety mino aho nefa fa
Kila sy maty tapitra
Ilay afon-jozoro efa nanary aina,


Foronina zao rehetr'izao
Lazaina fa hiova ho vao
Ilay vony efa ho lo rampitso vao maraina


Ny antsika tsy mba nokoloina.
Tantara tsy mba nitsinjo ny ho avy.
Ny ho avy izay tonga tsy nantsoina.
Sy tsy mihaino
Ny tomanin'izay mba miangavy .


Ianareo nifidy an'i Tritriva
Matoria am-piadanana,.
Ny anay tsy angano takariva.
Ka ho tanisaina amorom-patana.


Andao amin'izay hihidina
Ny lasa aza itodihana
Izao no farany iraisantsika dia,


Ary ireo olom-pantatra
Hahita antsika miaraka
Dia mbola hiantso hoe :
"Haody ry Mpifankatia"


Ny antsika tsy mba nokoloina.
Tantara tsy mba nitsinjo ny ho avy.
Ny ho avy izay tonga tsy nantsoina.
Sy tsy mihaino
Ny tomanin'izay mba miangavy

(Salut les amoureux, Joe Dassin-1972) --- NY ANTSIVA (Tom Andriamanoro & Samy Andriamanoro and Co) ---  (audio K7  1978 )

- Authors : A. Guthrie Adaptateurs & R. Dassin,
- Adapted By : Tom Andriamanoro
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsiva
Vangy : 68
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : JJack
Daty : 19/05/2025 10:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0796