Latsa-paka (Latsapaka) (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarobidy loatra anie izao andro anio izao,
Hanorenantsika roa fiainam-baovao
Safidy sy anjara ny hiray lalana aminao
Ka raiso ny tanako ho anao

Aza manahy akia fa ho eo foana aho
Hanome ny soa ny kanto indrindra ho anao
Atolotro ho anao anio izao peratra izao
Ho profom-pitiavako anao

Ndeha hamaky onja avo iny
Ireo sedra maro mety handrakotra antsika
Ndeha hamaky onja avo iny
Dia ny atao antsaina dia ny sambo tafita

Na izao tontolo izao tsy ho feno raha tsy misy anao
Ka manomboka eto izao tsy hampanantena kintana aho
F'ilay foko no efa tia latsa-paka aminao
Latsa-paka aminao
(ouh ouh)
Latsa-paka aminao
(Latsa-paka aminao)
Latsa-paka aminao
(La, la)
Latsa-paka aminao

Ny amiko rehetra atokako hanjakanao
Ireo zanatsika hitondra ny anaranao
Tsy avelako nofy akia ireo vodady natao
Mameno ny fiainako ianao

Ndeha hamaky onja avo iny
Ireo sedra maro mety handrakotra antsika
Ndeha hamaky onja avo iny
Dia ny atao antsaina dia ny sambo tafita

Na izao tontolo izao tsy ho feno raha tsy misy anao
Ka manomboka eto izao tsy hampanantena kitntana aho
Na izao tontolo izao tsy ho feno raha tsy misy anao
Ka manomboka eto izao tsy hampanantena kitntana aho

F'ilay foko no efa tia, latsa-paka aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njara Marcel
Vangy : 2121
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 25/06/2022 19:36
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124