Azafady (Njara marcel & Jacquis Randria)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ouh! ouh! ouh!
Ouh! ouh! ouh !
Azafady aho raha toa ka nandratra anao
Be loatra ireo vita sy ditra natao
Tsy nahay nifehy tena, nanao ny tsy fanao
Nampirafy aho, nampijaly anao

Ireo teny marary sy ireo latsa hifonako oh!
Fa zaho anie bandy mety ho solafaka ihany
Ireo fakam-panahy maro loatra mamingana
Izay tia hono adala, hafa ihany malala

Ao fa hiova aho
Tsy hamerina intsony aho

Tsy hoe kapain-tsy hita fery ialahy ka andeha hampijaly vehivavy eh!
Aza faly ny hanimba sy hamiravira ialahy, tsinjovy ny ho avy
Aza hanariana mavesatra izy ireo, tsy kilalao izy azafady
Dinio izay atao fa ho very ialahy raha toa ka tsisy vehivavy

Aza miandry voadona ialahy vao mba tonga saina
Tsy etam-barotra amidy io f'aza viraviraina. NON! NON! NON
Tsy hoe lany hamamiana ka ho arianao ny faikany eh!
Rendrarendra tsy ho lany fa mba saino ihany
Ireo vehivavy natao ho fanaja eh! humm, humm
Hoe afaka miaina ve raha toa ka tsisy azy? ouh! ouh!
Tsy sakafo fihinana izy io ka ho atao andramana oh!
Sao ho fatra-pifidy ialahy, tandremo lesy zany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njara marcel & Jacquis Randria
Vangy : 1347
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Antsa852
Daty : 16/08/2022 05:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1068