1+1 (Njakatiana sy Lola)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahoviana indray vao ho hitako ianao ry tiako
Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako
Angamba raha izao no mitohy tsy ho zakako
Asa izay hanjo, Rahoviana?
Rahoviana indray vao hitako ooh!!

ôh! rahoviana indray vao ho hitako ianao ry tiako
Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako
Angamba raha izao no mitohy tsy ho zakako
Asa izay hanjo, Rahoviana e? (Rahoviana?)
Rahoviana indray vao hitako!... ooh!!!

Tiako dia tiako ankafiziko loatra raha izay fiarahana izay
Amoron-tsiraka moa tsara ny andro tam'izay
Fahatsiarovana teo amin'ny fiainako
Ilay fahatsoram-ponao nambabo tokoa.

Ilay sary nomenao ahy mba ho fahatsiarovana
Dia sasatry ny oroka hanembonana!
Asa ianao any izay mba manao ahoana
Antenaiko koa fa toa ahy, malahelo foana!!!

Avelao aho hitia anao
Dia mba ho tony ny ao anatiko ao
N'inona n'inona 'zay mbola heritreritrao
Avelao aho aloha hitia ana an! an! an! an! an!!!

Anjarako ianao izaho dia mino
Mivavaka isan'andro tsy ho adino
Ianao foana, ianao foana no ao an-doha
Raha ny momba ahy ny fo sy fanahy
Lasanao aza manahy.

Anjarako ianao izaho dia mino
Mivavaka isan'andro tsy ho adino
Ianao foana, ianao foana no ao an-doha
Raha ny momba ahy, dia aza manahy.

Miandry anao foana aho
Hitia anao foana aho
Na dia tsy mba miraika rahatr'izao

Raha toa ka hisy na tsy hisy izany
Raha mbola tany koa ny tany
Ny faniriako ho anao dia tsy ho lany...!!!
O! oh! o!!!...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana sy Lola
Vangy : 1057
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 18/12/2020 20:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0788