You are here: home > Tononkira > Nassiah Diol

Mahereza foana (Nassiah Diol)

Sao mihevitra ianao fa!
Iny adinao omaly,
Mbola adinao androany.

Andriamanitra efa nanomana
Efa nanokatra làlana
Tsy takatrin'ny saina.

Adidiny ianao satria zanany
Tiany sady malalany
K'aza mitomany.

Izy ilay Ray tsy mamitaka
Ny zava-drehetra hainy atao
Ho anao zanany, malalany!

Ref:
*Ka mahereza foana ianao
Fitahiana ao an-danitra ao
Efa natokany ho anao.

Ka n'inona n'inona zavatra hiseho
Efa voaTsiky dia ampysoratra ho anao ny fandresena
Ka mahereza, mahereza foana e! (X2)

.....

Adidiny ianao satria zanany
Tiany sady malalany
K'aza mitomany.

Izy ilay Ray tsy mamitaka
Ny zava-drehetra hainy atao
Ho anao zanany, malalany!

Ref:...
.......

Mahereza foana ianao
Fitahiana ao an-danitra ao
Efa natokany ho anao.

Esory ny ahiahy
Dia matokia an'Andriamanitra!
*Dia, Mahereza fa, tiany foana ianao e!(x2)

Mahereza fa, tiany foana ianao e!

Mpihira : Nassiah Diol
Mpamaky : 209
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : christophe17
Tamin'ny : 22/04/2021 20:44:11
ID : 13445

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo