Sao izao lahy no farany (Naivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injao mandona ao am-ponao Jesosy anio
Efa hariva izao mihamaizaina koa
Tambitamby malefaka no entiny
Sao izao lahy no farany

Sao izao lahy no farany
Sao izao lahy no farany
Indro miantso anao Izy anio ka valio
Sao izao lahy no farany

Efa nintso anao Izy izay ela izay
Hoy ianao miantso hoe rahampitso angaha
Mbola miantso anao Izy anio ka valio
Sao izao lahy no farany

Sao izao lahy no farany
Sao izao lahy no farany
Indro miantso anao Izy anio ka valio
Sao izao lahy no farany

Misy fo tsy vangiany intsony anie
Fo mihidy hatrizay mamanala tokoa
Tsy namaly ilay antso hoe vohay aho
Kanjo izay ilay no farany

kanjo izay ilay no farany
kanjo izay ilay no farany
mbola miantso anao Izy anio ka valio
Sao izao lahy ny farany

Sao izao lahy no farany
Sao izao lahy no farany
Mbola miantso anao Izy anio ka valio
Sao izao lahy no farany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Naivo
Vangy : 37
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 05/12/2024 08:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768