RATSY NY TOAKA (M'Zarah fitia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady indrindra re olona ô raha toa ka handray ny fitenenana
hialako tsiny ilay paoziko fa tsy hangina aho sao hanenenana
fa voaraiko teto ny famonjena t@ hafatra zay nomena
ary aza ny hivelany no jerena re fa androany aho hanolo-tena

Raharidôsy no anarako, mpivarotra zavatra mahamamo
sady miasa amin-dratremalahy, Bar no fivelomako ao an-trano
Isan'andro aho misotro fa tsisy ny olana alàna @karama isam-bolana
dia toy izany foana, toy izany foana, no nataoko mandavan-taona

miala tsiny aho raha toa ka mba hitantara fa misy ny tiana ambara
henoko fa androany dia misy mpitory filazantsara
dia mba niova indray ny Taranja, dia mba hijerijery izay manjamanja
fa vao nokaotiko ry kiala fanja,hozy midira aloa Vokovoko Manga

mba nandeha koa lay fitoriana hoe mba tandremo re ry vahoaka
tandremo hono sao variana fa lozan'ireo zay mpisotro toaka
tsy nahajery intsony aho na iray aza,tena famangiana mahagaga
fa bedin'ny Tompo aho te hitomany satria tena fiainako mihitsy izany

Ohatra no holazaiko indray andro aho tery avaratetezana
aza mba toaka lahy ihany fa ataon'ny olona fihomehezana
ndao raha hijery film tsisy vola, ndao daholo fa mamo Ralavavolo
ra izany no video "COMEDIE sady COMANDO"
amin'io zaho tsy mahalala hoe efa hotsaka pataloha nefa mbola misary adala vadin'olona no nataoko bisous
t@zay zaho voafetaky ny tehamaina tena reko nihatra aman'aina
fa tena nisava hatr@ny toaka tsy hamerina intsony aho re ry vahoaka

tsy nety ho tonga saina taorian'izay mbola katry lava
tsy dia manan-kolazaina, nisotro aho fa tsy sahy nitabataba
rehefa mamo hono zaho dia ratsy tarehy, mivandravandra mipotsa-molotra be
mbola hanihanian'ny ankizy fa hoe "lava volo be rarakivy
efa tena voafatotra sarotra moa ny miala amin'ny mahazatra
fa raha vao mahita toaka dia misy hafaliana tsy omby tratra
androany Raharidôsy efa novain'i Jesosy
manomboka izao zaho tsy hisotro tsony fa veloma hono no antsoiny

hafatra hoan'ny bandy akama, ampy izay ny andro lasa tsy nahalalana fa ny toaka rarakivin'i Satana

fa omaly aho re olona tsy nahalala honona t@ toaka
fa dia mamo tampona nefa avy niantsena nividy loaka
sanatria toy ny biby fa tsy olombelona, any an-tatatra indray no mipenompenona
mikaroka lay saosisy fa tsy hita, any an-trano fa ououou maloton'alika
tena loza re olona zany aho raha tsy saika safotra, androany izao zaho tonga eto somary mbola makafoka
soa ihany dia soa ihany fa nandray an'i Jesosy izaho androany
fa raha maty teo zaho nampalahelo azo antoka f'efa tany @helo

soa ihany

ny mpangalatra ny mpiherona ny mpimamo hoy ny hafatr'i Pasitera
tsy mandova ny fanjakan'Andriamanitra fa any @Losifera
ka eto anatrehanareo vahoaka no ilazako fa tena ratsy ny toaka
rehefa avy eo zaho hitelefaonina mba hametraka demisiaonina
raha manontany ahy rapatrô fa nahoana ny asa no dia hajanona?
dia holazaiko tsotra hoe tsy mety @maha-Kristianina
aleo miasa hafa fa tsy ho tara ka ho vavolombelona ilay tantara
zay fa veloma vetivety fa izaho mainka ho any @Mpanety!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : M'Zarah fitia
Vangy : 1177
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rakotoharifetrahaja
Daty : 11/07/2020 09:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0864