IZAHO TSY HO KIVY (MKFACH)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Malahelo aho saingy aleoko penina no raisiko
Andraketako sy andinihako ny lalam-piainako
Maro ny nanilika nanambanimbany hoe vendrana.
Faniratsirana, tsy fifanajàna izay no tena enjana.
Fa aleoko mangina satria izay no fahendrena
Na dia lazainareo be variana sy be hareana
Alaheloko anio de hasambarako rahampitso
Misarona ny ratrako ao anaty dia toy ny fanitso.

Ref:
Na maro aza ianareo mpagnaratsy
(IZAHO TSY HO KIVY)
Ny eto ambony tany tegna mivadiky eee
(IZAHO TSY HO KIVY)
Zagnahary mpagnazava ny lalako ô
Yeah (ZEGNY MAHATONGA IZAHO TSY HO KIVY)
Satria izy no mitondra ny fiainako

2- Tsy ny tsy fahahombiazako anio no ilazako hoe kivy aho
Iny ranomaso latsaka iny tsy midika fahareseko akory
Ny talenta ao anaty dia loharano tsy mety ho ritra
Efa maro ny te-hanao ratsy fa tsy mety mahavita akory
Tsy fantany fa izaho manana an'ilay ray any ambony
Nefa izaho tsy mpanankarena fa dia tsy aiko intsony
Raha mbola mitempo koa ny foko tsy hanaiky ho resy fa miady
Satria ny hasambarako any aoriana any efa miandry

Ref:
Na maro aza ianareo mpagnaratsy
(IZAHO TSY HO KIVY)
Ny eto ambony tany tegna mivadiky eee
(IZAHO TSY HO KIVY)
Zagnahary mpagnazava ny lalako ô
Yeah (ZEGNY MAHATONGA IZAHO TSY HO KIVY)
Satria izy no mitondra ny fiainako

3-Mahatoky zagnahary izaho fa tsy hagnambela irery
Ok'zay lay fitenenagna hoe f'ela tsy maintsy ho very
Tsy ianao mametra ny fiainako fa ilay Ray any ambony
Ka ny tanjoko tsy apetrako raha tsy tratrako ho hambony
Nandalo sedra maro dia nandalo hirifiry
Izaho tsy ho kivy fa aleoko ireny ataoko lesoka
Taloha ny fiainako dia mainty toy ny setroka
Fa izao kosa dia lasa miloko fotsy makadiry

Ref:
Na maro aza ianareo mpagnaratsy
(IZAHO TSY HO KIVY)
Ny eto ambony tany tegna mivadiky eee
(IZAHO TSY HO KIVY)
Zagnahary mpagnazava ny lalako ô
Yeah (ZEGNY MAHATONGA IZAHO TSY HO KIVY)
Satria izy no mitondra ny fiainako(×2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : MKFACH
Visites : 84
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : MKFACH
Date : 02/05/2024 15:30
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124