You are here: home > Tononkira > Les Rafrà

Vola vola vola (Les Rafrà)

Raha mbola zazakely d'efa nianatra, sekoly foana no natao raharaha.
Izany mantsy no mety hahasambatra, rahatrizay rehefa lasa Rangahy
Amin' izay ialahy dia Patron be, mipetraka amin'ny trano tena favy be,
Sakafonao koa dia matsiro be, izany rehetra izany mila vola be.

Mikiky zao ny hanoanana, raikitra ary fa hitady vola.
Foana teo tokoa ny famenarana, roso ny dia hitady vola.
Nijorojoro foana teny an'arabe, amin'izay ny andro efa maizina be.
Atopatopa ery ary ny fandeha, izany r'etra iztononkira.serasera.organy noho ny vola re

Raha te hanitatra ny fahalalana, mipoitra indray ny resaka vola.
Aiza no handoavana fianarana, io indray ianao re Ravola
Nefa ange ny tary mba te ho ngetroka be,
Nefa ange ny ary mba te ho kalabe, izany rehetra izany mila vola be.

Raha mifankatia dia mivady, milamina tokoa ny tokantrano.
Mazana nefa ny mahatonga ny ady, tsy fisian'ny vola dia mahakamo
Mivindavinda ery ary ny molotrabe, mivandravandra ery zato masobe.
Mifampitoraka vilia sy sotrobe, izany rehetra izany noho ny vola re



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Les Rafrà
Mpamaky : 621
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 23/03/2016 11:04:47
ID : 8172

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo