Hiandry aho (Mi Soa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa henoko matetika fa ho avy Ianao
Haka ireo vahoakanao izay tena tinao
Fa Ianao nampanantena hanomana toerana hoanay
Misaotranao izahay.

Ka ny foko tsy hijanona ny hitianao
Jesôsy ôh!, hiambina aho mandra-pahatonganao
Ny fanahimasinao no hangatahiko
Mba hitoetra, hameno ny fanahiko.

Mbola ho lavitra ve sa akaiky,
Ny andro hiverenanao?
Hiandry aho na ho andro na ho alin'izany
Hiandry faona aho, mandra-pahatonganao.
....
Oôh! ôôh! oôh!
Ampy solika ve?
Izato tenako miandrandranao
Tsy afaka a!, hanome,
Ireo izay lany vatsy eny an-dalam-be! Eieh!!

Chœur:
Ampy solika ve? (Ampy solika ve?)
Izato tenako miandrandranao (Miandrandranao aho)
Tsy afaka a!.. (Afaka hanome eh!)
..hanome!
Ireo izay lany vatsy eny an-dalam-be.

Ôh! ôh! Oôh!
Jiroko, efa vonona!
Ora faha firy izao?
Imatesako ny hiambina
Ny fahatongavanao, ny fahatongavanao!

Chœur:
Jiroko, efa vonona! (Ôh!)
Ora faha firy izao?
Imatesako ny hiambina
Ny fahatongavanao, (Ny fahatongavanao!)
Ny fahatongavanao!!!.

(Mbola ho lavitra ve sa akaiky?...)

(Ieeeh!!...)
Chœur:
Mbola ho lavitra ve sa akaiky, (...Mbola lavitra ve?)
Ny andro hiverenanao? (Hiandry aho)
Hiandry aho na ho andro na ho alina izany.
(Hiandry faona aho!! mandra-pahatonganao!)
Mbola ho lavitra ve sa akaiky? (Jesôsy ôh!)
Ny andro hiverenanao? (Miandry Anao aho Mpanjakako!)
Miandry aho na ho andro na ho alina izany (Na ho alin'izany!)
*(Hiandry faona aho!! (X3)

... Mandra-pahatonganao!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mi Soa
Vangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 06/02/2026 18:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715