You are here: home > Tononkira > JW broadcasting

Tiako Be Indry ry Zanako Vavy (JW broadcasting)

https://tononkira.serasera.org/hira/jw-broadcasting/tiako-be-indry-ry-zanako-vavy-2

1. Tsaroako akia ’lay feo,
’Lay feo miangoty.
Ianao fihiniko eo,
’Zaho mandrotsirotsy.
Dia teny nihalehibe,
Nianatra nandeha.
Nahafatifaty ahy eryy
FIVERENANA
Ry tiana, tsy foiko, ianao fifaliako.
Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako.
2. ’Zao efa voninkazo
’Lay voa nafafy;
Tsy mba nanaiky halazo,
Nandresy ady mafy.
Dia ’zay natoro an-dry,
Tadidio akia.
Ry zanakTsiky dia ampyo aza hadino izao:
FIVERENANA
“Ry tiana, tsy foiko. Ianao fifaliako.
Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako.”
TETEZANA
Fa Jehovah anie
Tsy hanadino anao,
Satria manompo azy,
Mikely aina ianao.
Marina izy ka
Hotsaroany fa
Ianao tia azy.
FIVERENANA
Ry tiany, tsy foiny, ianao fifaliany.
Ry tiany, tsy foiny, ianao tena hampiany.
Ry tiany, tsy foiny, ianao tsy hariany.
Ry tiany, tsy foiny, ianao tiany.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : JW broadcasting
Mpamaky : 1172
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : sergesitrak2017
Tamin'ny : 23/02/2018 13:46:30
ID : 10391

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo