Babonao (Tonton Rafily)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lehilahy: Babonao e ny foko
Babonao ry Tompo
Tia Anao aho ka anjakao re ny foko
Mangotrakotraka ato anatiko
Mientana zay tsy izy
Ny foko babonao tsy an-tery fa safidy
Nataonao ho sakaiza aho fa tsy hoe mpanompo
Notiavinao na dia ratsy sy maloto
Babonao tanteraka aho
Babonao ambongadiny
Satria ny fitiavanao ahy
Tsy mba hoe mila tambiny

Ref: Omeko anjakanao daholo
Saina vatana fanahy
Satria sarobidy loatra e
Ny nanavotanao ahy
Famonjena tsy sandaina
Tsy hoe mba mitaky valiny
Izaho koa hanolo-tena fa babonao
Babonao ambongadiny

Vehivavy: Jesoa Tompo malala ô
Ry ilay tiako sy lalaiko
Ny fitiavanao ahy
Ho koloiko sy hajaiko
Omeko Anao e ny foko omeko Anao ambongadiny
Fa Ianao irery anie no tena Mpanjakany
Maro ireo rendrarendra
Izay misarika ny loha
An-koso-bolamena mamiratra tokoa e
Mitady hividy ahy hovidiany an-tsinjarany
Ny foko anefa tsy zaraina fa omeko Anao ambongadiny

Ref. x2 (duo)

Izaho Jesoa hanolo-tena fa Babonao, babonao ambongadiny!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tonton Rafily
Vangy : 3764
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tefiniaina1
Daty : 29/10/2015 14:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789