Tsy Nanenenako (MAZ RAMANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY NANENENAKO

Couplet 1 :

Ity ilay toera-mamintsika fahiny fa...izaho irery sisa mijery azy mangadihady...

Taona  vitsy aty aoriana dia...tsapako,
Fa nisy fandaharana avy  any ambony ny tantarako,
Niarahako taminao...
Nanontany tena aho tato ho ato hoe...hatraiza ny làlana,
...raha  sanatria tsynanamafy fo...nandao anao!

Mitahiry fahatsiarovana maro, mamy...mangidy,  mifangaro...
Hisento kelyaho dia...hikalo...

Nanaraka  anao  aho na dia saika kivy aza isika,
Nalahelo ihany aho satria i dada sy neny koa tena tiako...
Fa...tena  tia aho, dia  somary nitondra  an-ditra!!!

Tiako  mantsy t@ zany, nolazaiko teo anatrehan'izao tontolo izao...
...tonga  ny tanjona niriako...taminao...
...tsy nanenenako...

Couplet 2

Fotoana vitsy ihany,  tato aoriana kely, dia...
...nosoratako izao  tononkira  izao...
Nanjary nangatsiaka...
Ilay ADY  MAFINTSIKA, zary lasa fahazarana!!!
Dia 'zah lay mibedibedy ny ankizy sy miteny foana ve?...no tena tsy nahatamana anao?
Nanena  ilay firaisam-po, dia lasa fahasorenana...ary avy eo nivarina  ho...FITAKA...???

Nanontany tena aho,
Satria mitaraina lava hoe LEO BE ilay malalako!!!
Tsy nahavita naneho fitiavana intsony izy, na...niezaka ihany aza izahay roa!
Nalahelo ihany aho, hoe efa...mananontanona ao  izany ilay...soloko eh?
Fa...tia anao loatra aho...dia tsy nahazaka!!!
Diso tia anao loatra aho, fa...ianao te hisaraka!
Tia anao loatra  aho, dia...naleoko koa nisaraka!
Tia anao loatra aho, fa...TSY NANENENAKO!

Tsy nanenako ny lasa, lazaiko anao izany...
Raha renao izao hira izao,
Dia aoka hiantefa any amponao any...
Ekeko ny Anjara fa Lalàn'ny fiainana.

Desambra 2019
MAZ RAMANA
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 11/07/2025 16:28)
Hmm lasa mpihira?
MAZ RAMANA ( 11/07/2025 16:38)
Efa haiko mihitsy hoe tsy maintsy hiteny zao i @hery hihihi, kopa-tànana eeeeh!
hery ( 11/07/2025 17:13)
Rehefa tsy mitsimpona mpivarotra saribao dia ok e. Miandry fichier mp3
MAZ RAMANA ( 11/07/2025 17:16)
Hoavy tsy ho ela ooooh!
MAZ RAMANA ( 11/07/2025 17:17)
Tsy mitsimpona mpivarotra saribao ka! : )
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MAZ RAMANA
Vangy : 567
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 11/07/2025 16:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4451