Hafatra (Mahery Ran)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha toa mety azoko hafarana ianao
Iny rahona misosa mafy ery
Mba ilazao izay havako izay
Hoe mbola tsara tsy miova ny aty
Raha toa ka mandalo ilay tanàna ianao
Misy izay malalako izay
Mandehana moramora raha toa azonao atao
Hitarafany hitsinjovany anao

Mba lazao ilay hafatro
Soava dia tsy ho azon-tsapona ianao
Tsy ho soparan'ny rivotra mifofo
Hamily lalana ny dianao
Antenaiko sy hitokisako ianao
Mba ahatafita soa ilay hafatra
Hoento re ! Aza misy kely avela
Vimbino tsy hianjera

Raha misidina eny ambony eny koa ianao
Miangavy anao hiova loko mainty
Mba hahafantaran'izay olon-tiako izay
Hoe malahelo mafy anao ny aty
Araho erikerika mifafy madinika
Porofo fa tsy tana ny tomany
Aza ela hono hoe ianao
Fa mangatsiaka hilaozanao ny akany


Mba lazao ilay hafatro
Soava dia tsy ho azon-tsapona ianao
Tsy ho soparan'ny rivotra mifofo
Hamily lalana ny dianao
Antenaiko sy hitokisako ianao
Mba ahatafita soa ilay hafatra
Hoento re ! Aza misy kely avela
Vimbino tsy hianjera

Antenaiko sy hitokisako ianao
Mba ahatafita soa ilay hafatra
Hoento re ! Aza misy avela
Vimbino tsy hianjera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahery Ran
Vangy : 72
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anaf Andriam
Daty : 08/05/2025 12:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.077