Eto an-dalana (Lova miampita)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Lohasahan-dranomaso no vakiako
Maizimaizina sady mideza
Koa tantano ry Ray zany diako
Efa mila hitofezafeza
Feno tsilotsilo, be karaobato, saro-dalana
Nefa hazavana mitsilopy no tazana
Toa tsy hitako ny indray mandingana avy amiko
Kivikivy sy matahotra aho mijery ny hoaviko

Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso

2) Bibidia izay lian-drà indry miandry
Kihon-dalana no hiereny
Efa vizana be ity zandry
Mitalaho Aminao ombieny
Hery tsy mitovy indro mifanena ary fantatra
Ny nofo malemy no tsy maintsy ho maratra
Tsisy intsony ala olana azo hiodivirana
Raha tsy eo Hianao Jeso hanala izay manahirana

Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso

3) Kely sisa dia ho vita re ny dia
Nefa maika mahery ny ady
Ka hilofika ve ? Sanatria !
Ny manaiky ho resy dia fady
Mila hery miha-mitombo isan'andro avy Aminao
Ry Jesosy Tompo Zoky tia izay tsy mandao
Eo no hitako azo antoka sy tsara indrindra izao
Eo aho hijoro sy handresy mba ho voninahitrao

Refrain : Sandrinao no iriko hitantana ny dia
Eto andalam-pihoarana ho any Aminao
Ka handroso tsy amin-tahotra aho fa satria
Lohalalako Hianao Jeso
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lova miampita
Vangy : 389
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : antokiniainato
Daty : 17/03/2023 15:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072