Tsy ampy (Lizah Raseta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niteny aho ka niteny
Mamerimberina aminao
Ny fikasako ombieny ombieny
Hiara-tsambatra aminao.

Nefa na dia sombiny aza
Dia tsapako eny indrisy,
Fa tsy mbola ho voalaza
Amin'ny teny rehetra misy.

Teny mamy, teny soa
Miaro safosafo kely
Eny tsy ampy avokoa
Mbola tsy ampy velively.

Koa dia tsoriko ry aiko
Fa raha izao tontolo izao
Tsy hahalaza ny ato an-tsaiko
Sy ny ao am-poko ao.

Teny mamy, teny soa
Miaro safosafo kely
Eny tsy ampy avokoa
Mbola tsy ampy velively.

Koa dia tsoriko ry aiko
Fa raha izao tontolo izao
Tsy hahalaza ny ato an-tsaiko
Sy ny ao am-poko ao.

(A/C Abel Ratsimba)
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/lizah-raseta/tsy-ampy
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Lizah Raseta
Visites : 156
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 19/11/2022 12:31
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0654