Mikiranina (LIJA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga iany ity ny maraina
Anio ilay andro fifanenantsika
Tsy andriko ny lera toa tsy maty ny jiro
Avadibadiko ny soribilako

Nindramiko ny lobak'i Tovo kely
Nanaovako ny kiraron'i Dada
Kelikely teo refa vita kenokenona
Ny andro nefa amin'ny fito sahady ah

Izaho, efa potika aminao
Rovidrovitra ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina
Izaho, efa potika aminao
Rotidrotika ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina

Ireo antsoko toa zary nangina
Pozipozy mavo loko tsy ampy bala tsy mitoko
Fijerijerinao sy ny endrikao sariaka
Tsy nomenao hatramin'ny farany eh

Nandramako ni-speak-peak toy ny vazah
Dit chérie je t'aime tena i love you oa
Ny ilongilongy anao nangaringarika
Dia niteny oe n'importe quoi

Izaho, efa potika aminao
Rovidrovitra ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina
Izaho, efa potika aminao
Rotidrotika ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina

Folo taona taty aoriana
Mbola velona ny fo, ary tsy sasatra mijoro
Nanantena anao ny handamindamina
Nitondra soa ny hamaly vavaka

Tsy ny lanitra izay avo no tsy takatra
Na ny harena izay tsy misy na solafaka
Fitadidinaa anao no tsy aiko ho lavina
Tsy hita ny atao ka mbola mangana

Izaho, efa potika aminao
Rovidrovitra ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina
Izaho, efa potika aminao
Rotidrotika ny foko manontolo
Ianao, mbola mody fanina
Jejojejo toy ny mikiranina

Fanantenana ...

Fanantenana tsy difotry ny havoana
Raha mangatsiaka ho sitran'ny fotoana
Indray andro any aho ho tojo anjara foana
Hamirapiratra ny fiainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : LIJA
Vangy : 1180
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Vovolman_
Daty : 13/07/2019 11:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2826