Mifohaza amin'izay (Lehilah Joby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ooouh...Eeeeh...

Ref : Ampalalao anay ny tena fahazavàna
Ampalalao anay, Ampalalao anay
Atoroy anay ny tena lalak'ombana
Atoroy anay, atoroy anay
Fa mihinana amam-bolo no mitsambiki-mikipy e (isika olombelo ô)
Ka mila tolo-tànana avy aminao ry Ray, Mpanitsy e

1- Lasa lavitra tokoa zato saina indraindray
Satria ny mpiray tanàna sady tsy taitra no tsy milomay
Nandà fiovàna tsy te ho any amin'ny tontolo tena milay
Fa miaina anaty adin-tsaina ary tsy mety ho fay
Izaho kosa manao izay hitoky hilaza izay toa ka manadino
Nefa ilay haizina goavana mbola tena lavitry ny jiro
Tsy misy tara-masoandro hanolo ny asan'ny fanilo
Fa maizina be tena tsisy mpitsilo
Akory no atao rehefa jambena ny maso
Fa na tsy fahalalàna aza vidiana lafo
Ary raha sanatria kosa domelina ny saina
Na misy manandevo azafady raha haka aina
'Zah tsy malaina fa mazoto fatratra izay tsy izy
Nefa ny fihevin'olombelona izany no hitovy amin'ny biby
Satria tsisy fanahy handraisan'ilay Nahary
Samy tsy te hiraharaha ny fahatongavan'ilay Mpahary

2- Mahagaga mahalagny fagnahy
Fiainantsika olombelo ety an-tany
Variagna amin'ny ditraditra sy ny revy mamparary
variagna mikolokolo tarehy, bika manary
Vitantsika manome vôla koa fa hanaovagna fety
Mba ahazahoagna sitraka fa metimety
Ny ankamaroagna antsika miseho manenjiky lamôdy
Tsy digniny koa tsy feno entan'anazy entiny môdy
Firifiry amintsika olombelo ma?
Mba mitady fanjakan'ny Zanahary iray
Azôvy hamoy ny fiainany e, hankatoa izay rehetra tenenin'i Jah
Hanambela sitrapo sy ny fo tsy mety hanarina
ka hanolo tena sy hamonjy ny fanahiny
Mba tsy ho very, tsy ho irery amin'ny andro farany e!

3- Zanahary ambony fitoerana ary mahita zay ambany
Ny hazavany koa tsy ferana fa mahenika ny tany
Nefa tsika anaty haizina feno loto miavosa
Tsy tonga saina mihitsy amin'ireto adidy tsy tontosa
Hany ka osa, osa ara-panahy
Bokabokan'ny trosa toa zaza tsy misy mpiahy
Fa zanak'ondry very an'efitra ny fahitako azy
Very saina, very hevitra mibaby an'ireo sazy
Aiza ilay ampitso fa marivo ny fisainana
Mihevi-tena tsy ho diso ka tsy hanova fiainana
Manohy ny ratsy atao sady matin-drendrarendra
Mandry andriran'antsy fa olona voageja
Aiza ilay maraina fa tsy mety tonga saina
Nefa mila lakolosy mba ho entina mamoha
Hifikiro izay tena ilaina ary aza malaindaina
Fa ny fahazotoantsika rehetra no hanadiovana ny fo

Ref : Ampalalao anay ny tena fahazavana
Ampalalao anay, Ampalalao anay
Atoroy anay ny tena lalak'ombana
Atoroy anay, atoroy anay
Fa mihinana amam-bolony no mitsambiki-mikipy e (isika olombelo ô)
Ka mila tolo-tànana avy aminao ry Ray, Mpanitsy e

Yehe..vonjeo Zahahary e (x2)

Ampalalao anay ny tena fahazavana
Ampalalao anay, Ampalalao anay
Atoroy anay ny tena lalak'ombana
Atoroy anay, atoroy anay
Fa mihinana amam-bolony no mitsambiki-mikipy e
Ka mila tolo-tànana avy aminao ry Ray, Mpanitsy e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lehilah Joby
Vangy : 735
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Nohisoa
Daty : 09/05/2022 17:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123