You are here: home > Tononkira > Laza

Satria tiako ianao (feat Farakely) (Laza)


Anio no fotoana
Tiako ho tantatr'izao rehetra izao
Izay niafina tao am-poko tao
Zary nofy ireo lalan-tsarotra izay
Nolalovana tena nahamay

Efa niainantsika
Ny mafaitra izay tena tsy laitra
Ireo ngidy sy maminy izay nentin'ny Fitia
Fa feno hafanana hatrany
Lavitra alahelo sy tomany
Nanjakan'ny fandeferana tsy hanam-pahataperana

Enga anie haharitra ela indrindra
Izao naorintsika anio izao
Iriko ianao ho ahy, hitoetra ho mandrakizay
Tsisy hahasaraka ahy aminao
N'iza n'iza aloha hatramin'izao.
Tapa-kevitra andrtononkira.serasera.orgoany hifampizara ny mamy
Fa satria , satria tiako ianao.

Natokako ho anao
Ny amiko rehetra anjakao
Tsy an-tery fa ho anao irery
Ary omeko avokoa ny tsara indrindra sy soa
Ny rehetra ary tsy misy fetra.
Fa feno hafanana hatrany
Lavitra alahelo sy tomany
Nanjakan'ny fandeferana tsy hanam-pahataperana.

Enga anie haharitra ela indrindra
Izao naorintsika anio izao
Iriko ianao ho ahy, hitoetra ho mandrakizay
Tsisy hahasaraka ahy aminao
N'iza n'iza aloha hatramin'izao.
Tapa-kevitra androany hifampizara ny mamy
Fa satria , satria tiako ianao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Laza
Mpamaky : 552
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 23/04/2019 10:39:24
ID : 11572

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo