Kiôfan'ny faritra (LAZ ft TI-AH)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet Ti-Ah:Be hoy aho izay nampidaraboka, na dia mailo miakarapoka,na dia tsiky mety hikapoka, mety ho anjely misy tandroka,fa tsy avelako hiandroka any am-poko ny erikerika,aleo masoandro be maha tretrika dia mandry ny eritreritra
Alaina namana ilay fiainana,dia mihena izay mamay mampikolay fa izay mahasoa tandrovovana sy alaina rony, mahalana avy eo ny ady tsy isan'andro ny iray sy iray,lasa mahazatra toy fiakaran-dava tany Matsiatra ambony
Tsy foko na fiavina no maha fière leka papa fa izay zava-bita milay na dia somary vitsy mpahalala,tsy dia mihaingo amina mbala, mety hoe liaka hatàgny ambala,nefa eny amin'ny vavahadinay in-droa mandry izao ny valala
Tsy sahala ny ao am-paosy fa ny fonay koa tsy hifanintsana,matoa koa sahy mifampindrana efa be izay niaraha-nihinana,ny toetra samy hanana,ao ny akama mampitongilana,efa izay ilay fiarahamonina izay tsy hanimba aleo tsy hifirana
Refrain:
LAZ: Efa mandeha
Ti-Ah: Efa mandroso
Laz: Tsisy miala eto
Ti-Ah: raha tsy mandresy.
Laz: Ny tanjona atao lesy hilofoso.
Ti-Ah : Amin'ny taona maro mbola hifanesy
Hatramin'ny nanomboka efa voafaritra ny lalana hatrany amin'ny farany.
Samy topon'andraikitra amin'izay sehatra nivelarany
LAZ : Dia nandeha
Ti-Ah: Dia nandroso...
(....)
Couplet LAZ:
Samy namaritra ny tantara hatramin'ny voalohany,
Nandroso nanome aina samy nanoratra milay ny rimany anatin'ny fo ,tsy nifaninana ny te ho mpanao RAP mahavoha
Nilofo ka natao aina sy hery namelona ireo izay nitoraka tsy nahavoa
Tontolo mety tsisy ahatsikaritra,
Nandalo sedra sy nahay niaritra,
Ny diavolana mbola ho lava ary ny lalao koa mbola haharitra,
Na amin'ny mora na sarotra, ahitana foana io izay marimaritra iraisana ho enti'mamaritra,
Solotenan'ny kiôfan'ny faritra
Mahafinaritra ny ahy ireo mpiregnina mpiara-dalana,
BIG up ho an'ireo MC mpiara-mitolona nandalina ny rap'ny isan'andalana
Omeko PEACE ireo nisitaka nieritreritra ny hoe hafa lalana
Mankasitraka ireo REAL teo foana tsy nialangalana
Hatramin'ny farany leka zalahy, fisainana mihangezalahy
Ho entina amin'ny tongotra miara-mamindra ary soroka iaraha-misalahy, tsisy manalasala ahy satria isan'andro mie-sahy
Arahan'ny ekipako amle REAL mijoro foana REPRESENTEAAAAAH.
Refrain:
LAZ: Efa mandeha
Ti-Ah: Efa mandroso
Laz: Tsisy miala eto
Ti-Ah: raha tsy mandresy.
Laz: Ny tanjona atao lesy hilofoso.
Ti-Ah : Amin'ny taona maro mbola hifanesy
Hatramin'ny nanomboka efa voafaritra ny lalana hatrany amin'ny farany.
Samy topon'andraikitra amin'izay sehatra nivelarany
LAZ : Dia nandeha
Ti-Ah: Dia nandroso...
(....)
[Nampiditra]:
*RAKOTONARIVO Sitrakiniaina Tantely*
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : LAZ ft TI-AHVangy : 144
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Masoka
Daty : 29/08/2025 08:48
