Satria tiako ianao (Larry G5)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sarobidy ho ahy
Ity toky
Omeko anao ry tiana
Tena tsotra, mendrika
Ho tanako tsy ho rendrika
Teny mamy miventy hoe
Matokia, ry ilay tiako
Fa na ho vato na ho vy
Anao irery aho ho doria

Refrain:
Koa raha manina ahy ianao
Ka lasalasa ny fisainanao
Ireo teny mamiko hiainana
Teny roa izay fantatrao
Teny kely hoe
Tiako ianao

Tsy vola tsy arena
Tsy mba tombotsoa
No mamefy ilay fiarahan-tsika roa
Firifiry moa
Ny olana nanjo
Impiry koa ny adintsika roa
Izay tsy mety
Arenina avokoa
Satria ianao no efa tiako
Nofidiako
Samy niezaka nampitony fo
Isika roa efa samy tso-po

Refrain

Ireo mpanenjika
Antsika roa
Handrava ilay fitia
Efa najoro
Kivy sady niala maina
Isika roa efa natao
Mba hifaningotr'aina

Refrain
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 23/08/2023 07:51)
Mety manana ny mp3ve ianao hapetraka ao amin'ny radiovazogasy?
LarryG5 ( 23/08/2023 21:21)
Oui manana ka,
Alefa mail mety aminao? Sa Whatsapp?
hery ( 23/08/2023 22:24)
Mail hery@serasera.org
na direct ao amin'ny radiovazogasy.com (le hoe envoyez votre mp3)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Larry G5
Vangy : 216
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LarryG5
Daty : 23/08/2023 07:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716