Ranomason'i kristy (Tarika Laingo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry Kaina a, ô ry Kaina a, aiza i Abela zandrinao ? Ny devoly ratsy saina no nandrebireby anao
Ranomason'i Kristy no nahatonga saina anao
Fa izy hono e, Tompo soa Raiko o
O ry zaza vao mandady dia lasanao sahady
Ny tanora maitso volo dia lasanao daholo
Ranomason'i Kristy no nahatonga saina anao
Fa izy hono e, Tompo soa Raiko o
Dingadingana malazo no mba solom-boninkazo
Vatolampy migodàna no mba solon-drangolahy
Ranomason'i Kristy no nahatonga saina anao
Fa izy hono e, Tompo soa Raiko o
O ry Kaina a, ô ry Kaina a, aiza i Abela zandrinao ?
Ny devoly ratsy saina no nandrebireby anao
Ranomason'i Kristy no nahatonga saina anao
Fa izy hono e, Tompo soa Raiko o
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tarika LaingoVangy : 11
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/03/2026 22:08
