Antso farany (Lafum's Andria (lafuma))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Tsy mety tafirana ve?
Mizaka zioga mavesatra mafy be sady mandratra
Aza kivy nefa ...
Andriamanitra mbola eo hiady ho anao)



Maro ny sedra sy ny olana manoloana
Ny manodidina manenjika no ataony
Nefa aza kivy fa Andriamanitra eo foana
Raha mitoky aminy ianao , satria tsisy tsy hainy atao (tsisy tsy ainy atao)
Be 'reo nandratra, ny olontina toa nandrafy
Ny adim-piainana mie mafy, ny adin-tsaina manjapy
Toa tsisy mamy , alahelo no eto an-tany
Ratram-po, ..famohizam-po sy tomany

Refrain:
Ka mila anao zaho hoa Ray
Mila anao satria ny eto tsy misy fanantenana
Efa reraky ny ady tsy misy fara
Efa lavo ahy , ka mila hery
Vonona ny hiorina am-pinona
Handroso foanafoana
Na lalan-tery ...miandry ahy
Miandry ahy ( yeh eh)



Mafy ve ny ady? Toa tsisy mety ny atao
Maloka ny andro fa ny ampitso mety ho anao
Mafy ny sedra fa mila mandroso mitombo
manompo ny tompo,
mila manangona angovo fa ny enta-mavesatra sady manfonja
Mila mandinika lavitra, hametraka ny ho avy, tsy ho be famaritra
Fa ny eto an-tany mandalo, ka mila mpanavotra hamandrika lanitra
Eto sarotra! satria ny ratsy mandrakotra,
Be ireo mpamadika! Be ireo mpanafika,
Afo mandoro, ny fahantrana manaloka
Mila hery , sy fanantenana,
Mila mandroso mankany @ lalan'ny fahazavana
Fa ny eto mantsy, tsy paradisa, hakiviana feno disadisa
Rivo-maloto mandrakotra manimba saina, aretina sy fahasimbana

Refrain: (2x)
Ka mila anao zaho hoa Ray
Mila anao satria ny eto tsy misy fanantenana
Efa reraky ny ady tsy misy fara
Efa lavo ahy , ka mila hery
Vonona ny hiorina am-pinona
Handroso foanafoana
Na lalan-tery ...miandry ahy
Miandry ahy ( yeh eh)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lafum's Andria (lafuma)
Vangy : 163
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 2103lafuma
Daty : 23/07/2024 20:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1288