Mama (Lafuma x Maoah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(lafuma)
Nifoha maraina mbola maizina maneno akoho
Ny olona nidasy f'ianao niarina no ny ankohonana
Nijoro , niatrika sady niady irery
Tsy nijery ny ratra, ny lasa na maloka enao tsy niteny
Nasinao tsiky, nasorinao ny hatsika
Niezaka enao nampifaly satria dada efa ts'hita
Nisacre ianao.., nanao izay  natafita
Tsy nitarain-tana-miepaka niaritra ny ditraditrako
Izay rht vita , nataonao t@ fonao lanjainao
Tsy nitalao naratra tao am-ponao
Neny a, androany za mifona
Tsy hamerina ny adisona satria efa saina tonga
Indray andro any, mbola ho tafa hiala ireo tomany
Hiala sasatra @zay mama ,sady hifaly
dia Mila tony .hilamina ny any ampony any
Mila tony...hilamina lavitra tomany

Refrain:
Na nandaonao ilay tokana  teto an-tany
Tsy navelanao ho very ny taranakao
Fa Niaretanao reo sedra maro sy tomany
Nilofo ianao mba hatafita ty zanakao
Mama mama, misaotra anao aho t@ izay rht vita
Mama mama , ..mirary anao ahita ilay paradisa

(Maoah)
Yeah , an ,
Tokana ny foko nefa foko omena anao
Ilay reny tiako mba henoy ity zanakao fa mendrika
Haja ary hankatoaviko an-tampon'ny loha izay rehetra
Vitanao hatram'izay ka hatram'izao!
Fa teo ianao ry neny ,fa fony izaho vao kely,
Nitaiza nanabe ary tsy nanary ny sombiniainy ka ny kalo
no ho vetsoiko androany entiko hilaza anambara
fa aminahy ianao volamena!
Neny a ! Raha ny ditrako efa nampitondra nenina,
Sarobidy ny eo anilanao tsy afenina ;
tohana ny foko dia noraisiko ny penina
Ny faniriko dia ahita anao ho ela velona
Tsy mba nanam-bola be tsy mba nanan-karena izy
Fa izay kely teo ampelantanany ihany no mba nentiny nanosika
Ny zanany ho tafita.
Nefa ! dia ny eto ianao dia ho vatsiko fifaliana sy fiadanam-po,
Satria ny reny rehetra dia vehivavy mendrika atao anolorana soa
dia ny eto ianao dia ho vatsiko fifaliana sy fiadanam-po,
Satria ny reny rehetra dia vehivavy mendrika atao anolorana soa

Refrain : ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lafuma x Maoah
Vangy : 61
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 2103lafuma
Daty : 23/07/2024 19:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744