Samy miala (Lackray)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olombelo antegna misy hambom-po
Hitady ny tsara sy mety ihany koa
Leo ny fikandry aho
F'aleoko miala bb
Raha lasa any ianao tsy quoi
Ny foko tsy misento e!
F'hitako izy fa fonao misoratra aminy
Nefa ampahafantaro azy sao matsatso sisa hohaniny
Ny antsika sy ianao d tsy poinse intsony
Ny aminareo indray kolokoloina
Ny ahy ny amin'ny fiainana izay tsy misaina
Bandy ohatr'izao dia efa hiaina maloto
Olon-kafa resahina an'izany
Diso ianao raha aty no manontany
Aza mangala-pihinana aty rehefa tsy ampy anao ny avy tany eh!
Fa mijaly eh!
Mamparary
'Zaho bodonao amin'ny volako kely tany
Fa angaha moa tsy atao amin'ny fo ilay fitiavana olona
Sitra-po tsy aretina ny andraso teo tenesina
Votsodroa dia fesina
Ny ankoatrzay eretretinao
oh ou oh!
Za aza antenaina intsony eh!
Fa nga tsy ampy anao ny fony eh.

Oh ou oh! Olombelo an-tegna misy hambom-po
Hitady ny tsara sy mety ihany koa
Fa aloka toa lasa sary eh!
Ireo vitantsika roa omaly eh!
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara

Tsy afaka hiafy am'ditranao aho
'Reo tontolonao toa hafa fomba fanao
Aleo hanaja tena tsy hifefy aminao fa ampy izay
Tsy afaka hirafy amin'olon-kafa aho
Tsy afaka ny hamitaka handrafy koa aminao
Tsy afaka hiverin-dalana aho fa ndao
Eny, aoka ihany

Aoka fotsiny ho'aho ny aty dia efa nahita
Aleo hifarana ho'aho ny antsika sendra sary indray mipika
Ataovy mahampy anao ireny
Tsy manaja koa rehefa miteny
Fa mety mandoro nentin'ny fony
Fa ny vitanao aloha efa leo
Ataovy an-tsaina retsy a
Fa ny fiainana ny ahy misy fetra
Io fitiavana io ho'aho tsy kilalao fa amboninin'ny zava-drehetra
Raha vitaina ny atao tsy ho tana
Raha toizana mety adalana
Aleo izaho tiavin'ny tiako
Miala tsiny amin'ny fikasàna
Hoe hifamerina isika dia hoe ianao hanao ny tsy fanao
Dia izaho hizaka ny ditra
Afa-po amin'izay natao dia izaho hiandronan'ny rihatra
F'efa 'zaho efa leo hanaja tena
'Zay kozy izay tsarovy toetranao jerena
Dia 'zaho aza antenaina intsony fa angaha tsy ampy anao ny fony.

Oh ou oh! Olombelo an-tegna misy hambom-po
Hitady ny tsara sy mety ihany koa
Fa aloka toa lasa sary eh!
Ireo vitantsika roa omaly eh!
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara

Olombelo an-tegna misy hambom-po
Hitady ny tsara sy mety ihany koa
Fa aloka toa lasa sary eh!
Ireo vitantsika roa omaly eh!
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara
Aleo samy hiala ihany
Aleo samy hiala ihan
Aleo samy hiala ihany fa tsy anjara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lackray
Vangy : 469
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 28/07/2022 09:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0754