fitia sotasota (kofallan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: Efa lasa ianao vao tsapako ilay banga tato am-poko
Tsisy intsony hanasitrana ilay ratra ato anatiko

Lasa lavitra ianao,lasa lavitry ny foko
‘Reo vitantsika roa toa nanjary niova loko
Nefa zaho mba nanatena ny hiaraka ho doria
Tinapitra hatreo, ilay foko mbola tia
Nangasihasy toy ny ory
Nalahelo tsy natory
Nitaraina mafy nanantena ny ho tony fa voamaika nikorontana
Lasa ianao nandao tsy nametraka veloma toy ny voa ny harimontana

Tsisy tsiny ny amintsika fa ny fiainana no diso
Nisotasota anjara sotasota fahazavana
Ilay lalana nodiavina avy hatrany dia rarana
Fitia voarara, fitia efa tsy anjara

Ref:….

Ny nofinofiko iny hoe hiaraka hatrany
Handravaka ny fiainana ao anaty tokatrano
Nefa ianao lasa lavitra tsy hitan’ny maso
Zaho manirery isan’ora toa miantso
Mamerimberina tsy mihato ny anaranao
Mamisavisa ny hoe aiza no nalehanao
Tsy ho zakako mihintsy raha tsy ndry no eto anilako
Lay vatanao mijoro no andry fiankinako
Ka aiza no halehako raha tsy eo ianao
Izay zavatra hitako toa mampatsiaro anao
Lay sarinao ato andohako iny tsy mety miala
Nefa samy mahatsapa fa ny antsika efa tsy anjara

Banjiniko ny ho avy dia hizorako ny lalako
Reo rehetra vitantsika dia raiketiko ho tantarako
Satria akaiky ianao nefa akaiky toa tsy takatro
Ka indro tsikitsiky no anaromako ny ratrako
Nefa ko tsarovy fa ianao tsy ho adinoiko
Ny foko mbola hitia ary hitia antsokosoko
Fitia tsy mety maty no atokako an-ndry
Fitia mandramaty, fitia ho doria

Lasa ianao toa nandao tsita intsony fa namela ity foko manirery
Aiza ianao mitalao miverena mipodiana ianao lasa lavitra

Ref:…

Toa nanjombona masoandro toa ireny fara andro
Tsy nety izay atao fa niova hatramin’ny fiakanjo
Fa maninona navelanao irery
Dia manao fangalapiery irery
Gogogogo toy ny zazakely fa nosoparanao
Mandiniha ianao aoriana any
Fa sao dia hivadian’izany
Fa malama maina ny tany
Aza mihetsika f’eo ihany
Fa izaho aloha dia mino indray andro any ianao ho tara
Izany ny kafara avy aty amin’I Oscar
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kofallan
Vangy : 1539
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : leftia
Daty : 08/07/2017 18:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741