Tsy hanimba (Kaloy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy hanimba ny fiarahanareo ny fisiany
Na dia mangirifiry mandoaka anaty aza ny fahoriany
Dia nisafidy ny hangina tsy hilaza izay tsy tiany
F'iza moa no hitarainany afatsy ianao ilay tiany

Lasan'olon-kafa ianao namela ratra ngeza be
Fanontaniana anatiny hoe, fa dia nahoana re ?
No tsy izy no natao ho sambatra hioty ilay fitia
Zay naniry fatratra ny ho tia ho doria

Tsy hanozona izy na hampitondra izay mangidy
F'ekeny izay safidinao na tsy zaka aza ny hanadino
Ho fahasambarana ho azy ny fotoana mamy izay niarahana
Ho babeny mandra-maty ny ora iray izay nisarahana

Hofonosiny lamba mena ilay fitiavany anao
Ary ho aleviny ho doria fa tsy hendrehina anao
Manantena kosa anefa fa indray andro any
Hanana mpikolokolo ho tojo hasambarana indray.

Tsy hanimba ny fiarahanareo ny fisiany
Na dia mangirifiry mandoaka anaty aza ny fahoriany
Dia nisafidy ny hangina tsy hilaza izay tsy tiany
F'iza moa no hitarainany afatsy ianao ilay tiany

Hofonosiny lamba mena ilay fitiavany anao
Ary ho aleviny ho doria fa tsy hendrehina anao
Manantena kosa anefa fa indray andro any
Hanana mpikolokolo ho tojo hasambarana indray.

Hanana mpikolokolo hitsangana ho velona indray.

Ouuu ouuu ouu
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kaloy
Vangy : 641
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 27/09/2019 19:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5841