Voankazo Voarara (Kailer , Faen's, Fytiah, Thix, Snayah, Tooky Skaya, Lax Layonina, Jlton)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sa ve ny anjara misalovana be
Na be ny mitaraina aza dia tsisy mandeha
Fa dia tena mba reraka ihany aho
Raha misy fahafahana aza dia mitomany
Tsindry bokotra mandeha foana ny ana isan'andro.
Fa toa ady foana mandram-pody masoandro.
Mamanala foana oa ny antsika mandavan-taona.
Any an-koatra angamba ny antsika roa vao mba hiaona. Any an-koatra oa


Efa tsy anjara ve ny antsika roa
Tsy hoe ianao koa anefa no nisafidy ny handeha
Fa n'aiza n'aiza haleha, ianao foana no mameno ny saiko e e e.
Na be aza ireo manakana,
Tsika roa tsy ho kivy tsy hisasatra
Manakatra ilay tanjona, indrisy voankazo voarara e e e.


Karazana tsiambaratelo efa nifampizarana
Masoandro mandoro antsika mamanala
Ndao fa ho any aho, fiainako ihany oa ny fiainanao
Fa inona ny fingana tsy efa nolalovana
Fonja sy fasana fa mbola io ihany oa
Tia anao aho, malala
Ho ampaniriako hatramin'ny fara-fofon'aiko ianao, voankazo voarara



Tsy niafina fa niharihary
Ambany vidy am lamba tsotsotra
Lany tsianjery ny isan'ny madinika,
Am-posinao lalina na tsy mipoitra
Dia hoe tsy nahafeno fepetra hitantana anao hono fa hoe sahirana
Tsy afaka handika lalàna, voankazo voarara ka dia tsy sahy hinana
Mamy na dia norarana,
Nisy nandroaka vao maika tamana
Ho avy ny andro, tsy maintsy fafana
Fa nanjaka loatra ny fahasamihafana
Fitiavana be lafo vidy, raha azo namidy hampilay ny tantara
Efa nahatonga antsika mpanefoefo
Izato lavitr'isa isaky ny norarana...


Hanoratra ato anaty toa tsy mety fafana
Ilay fo mba nanantena, nefa indrisy voarara
Ireo tsiaro zay navelanao, sisa no tantaraina
Isaorako ireo soa izay vitanao, tsy tambo isaina
Na sedra ho fahalemena, na voadonam-pahoriana
Mafy ny fo mangetaheta, nefa indrisy tsy misy intsony mantsy e
Ny antsika ny elanelana toa lavitra be
Mirary soa anao oa za

Karazana tsiambaratelo efa nifampizarana
Masoandro mandoro antsika mamanala
Ndao fa ho any aho, olako ihany oa ny olanao
Fa inona ny fingana tsy efa nolalovana
Fonja sy fasana fa mbola io ihany oa
Tia anao aho, malala
Ho ampaniriako hatramin'ny fara-fofon'aiko ianao, voankazo voarara


Karazana tsiambaratelo efa nifampizarana
Masoandro mandoro antsika mamanala
Ndao fa ho any aho, fiainako ihany oa ny fiainanao
Fa inona ny fingana tsy efa nolalovana
Fonja sy fasana fa mbola io ihany oa
Tia anao aho, malala
Ho ampaniriako hatramin'ny fara-fofon'aiko ianao, voankazo voarara


Manomboka voalohany, hatramin'izao mbola voarara
Karazam-piainana nefa nodiako tsy nahalala
Ekeko hoe mafy nefa niafy,
Kanefa misy farany ihany ny fampijaliana sy ny gafy e
Ka na dia any am-ponja aza nefa ny hiafarany e
Mino aho fa mbola ho avy ilay maraina ho anjara e
Fa na voahitsakitsaka sy voahosihosy
Fitiavako tsy maty fa hiverina ho fotsy. Fotsy be

Voahilikilika fa hoe bandy sahirana
Atositosika tsy nahita mangirana
Hatramin'ny olon-tiana tiavina ary ity voarara
Nefa vao maraina dia efa tsy eo am-parafara
Zay rehetra rehetra atao dia tsy maintsy voaenjika
Tsy namelany mihitsy raha tsy hoe nidoboka
Zay nampanantena an'azy fa ho tafavoaka
Nefa indrisy fa nandao, koa aleo ho any oa...

Karazana tsiambaratelo efa nifampizarana
Masoandro mandoro antsika mamanala
Ndao fa ho any aho, fiainako ihany oa ny fiainanao

Fa inona ny fingana tsy efa nolalovana
Fonja sy fasana fa mbola io ihany oa
Tia anao aho, malala
Ho ampaniriako hatramin'ny fara-fofon'aiko ianao, voankazo voarara
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Kailer , Faen's, Fytiah, Thix, Snayah, Tooky Skaya, Lax Layonina, Jlton
Vangy : 232
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : LurissAdr
Daty : 24/05/2023 06:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2159